Hijery ny anatiny

Rahalahy Andrey Stupnikov sy Olga, vadiny

18 MEY 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Matoky An’i Jehovah ny Rahalahy Andrey Stupnikov ka Mahavita Miaritra Fitsapana

VAOVAO FARANY | Matoky An’i Jehovah ny Rahalahy Andrey Stupnikov ka Mahavita Miaritra Fitsapana

Nampakatra fitsarana fanindroany ny Rahalahy Andrey Stupnikov, nefa nolavin’ny fitsarana ambony ambaratonga fahavalo izany tamin’ny 3 Aogositra 2022. Mbola migadra izy izao.

Nampakatra fitsarana i Andrey, nefa nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Krasnoïarsk izany tamin’ny 7 Septambra 2021. Mbola manan-kery àry ny saziny.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhny any Krasnoïarsk i Andrey, tamin’ny 3 Jona 2021. Enin-taona an-tranomaizina no saziny, ary tonga dia naiditra am-ponja izy raha vao niala tao amin’ny fitsarana.

Ilay voampanga

Andrey Stupnikov

  • Teraka: 1973 (Norilsk, Faritanin’i Krasnoïarsk)

  • Mombamomba azy: Injeniera amin’ny fitrandrahana solika sy gazy. Nanambady an’i Olga tamin’ny 1993. Samy mankafy zavakanto sy tia mandehandeha izy mivady

    Efa hatramin’ny mbola kely izy no te hahafantatra an’Andriamanitra. Nanatri-maso ny habibiana nandritra an’ilay ady voalohany tany Tchétchénie, tamin’izy mbola nipetraka tany. Lasa saina hoe fa maninona no misy zava-doza mitranga ary ahoana no hahazoana ny fiarovan’Andriamanitra. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy Olga. Gaga ry zareo rehefa nahafantatra hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly sady ao no misy ny tari-dalana tsara indrindra mba hiatrehana olana

Mombamomba an’ilay raharaha

Nosamborin’ny polisin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) tao amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Krasnoïarsk ny Rahalahy Andrey Stupnikov, tamin’ny 3 Jolay 2018. Izy no Vavolombelon’i Jehovah voalohany nampangaina ho mpanao heloka bevava tany Krasnoïarsk. Nasain’ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhny notanana am-ponja vonjimaika i Andrey, ny ampitson’iny.

Nanoratra taratasy ho an’i Andrey foana i Olga vadiny, mba hampaherezana azy. Tampoka teo anefa dia tsy naharay taratasy avy aminy intsony i Andrey. Niasa saina be àry izy. Vao mainka nitombo aza ny ahiahiny, indray andro izay. Hoy izy: “Nisy lehilahy nanatona ahy dia nanontany hoe: ‘Fa maninona ny vadinao no tsy manoratra ho anao intsony?’” Tatỳ aoriana vao fantatr’i Andrey hoe fanahy inian’ny mpiandraikitra ny fonja notazonina ny taratasy nalefan’i Olga. Hoy i Andrey: “Niteny tamiko ry zareo hoe tsy ho ela, hono, aho dia afaka mody any amin’ny vadiko raha miaiky hoe meloka.” Tsy nivadika mihitsy i Andrey fa natoky an’i Jehovah foana. Nasaina nambenana tao an-tranony nandritra ny efa-bolana izy, rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika valo volana.

Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Andrey nanomboka tamin’ny 2 Jolay 2019. Tsy mahazo mandefa na mandray e-mail anefa izy, sady tsy mahazo mampiasa Internet. Noferan’ny manam-pahefana koa ny olona azony iresahana.

Mbola mitohy izao ny ady ataon’i Andrey eny amin’ny fitsarana. Ny fanokanan-tenany ho an’i Jehovah anefa no tena ifantohany sy zava-dehibe indrindra aminy. Izao no nolazainy: “Tena mirehareha aho hoe mahafantatra an’i Jehovah sy manana azy eo akaikiko eo foana.”

Misaotra an’i Andrey isika amin’ny modely tsara omeny, satria matoky tanteraka ny fanampian’i Jehovah izy.​—Salamo 28:7.