Hijery ny anatiny

Ranabavy Tatyana Sholner

21 JONA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Matoky An’i Jehovah ny Ranabavy Tatyana Sholner dia Falifaly Foana na dia Miatrika Olana Aza

VAOVAO FARANY | Matoky An’i Jehovah ny Ranabavy Tatyana Sholner dia Falifaly Foana na dia Miatrika Olana Aza

Nampakatra fitsarana fanindroany ny Ranabavy Tatyana Sholner, nefa nolavin’ny fitsarana ambony ambaratonga fahasivy izany tamin’ny 14 Septambra 2022. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.

Tamin’ny 16 Desambra 2021, dia nolavin’ny Fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny fampakarana fitsarana nataon’i Tatyana.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy i Tatyana tamin’ny 25 Jona 2021, ary nomeny sazy mihantona roa taona sy tapany.

Ilay voampanga

Tatyana Sholner

  • Teraka: 1993 (Birobidzhan)

  • Mombamomba azy: Maty tamin’ny loza anankiray ny dadany tamin’izy mbola kely, dia ny mamany irery no lasa nitaiza azy sy ny anadahiny. Miasa any amin’ny farmasia. Tia mandeha bisikileta sy manao voley sady tia manao patinage (korisa eo ambony ranomandry)

    Tamin’izy nianatra zaitra no lasa liana tamin’ny Baiboly. Nampiaiky azy ny fitondran-tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray niara-nianatra taminy. Nampahery azy ny fanantenana hoe mbola ho velona indray ny maty, rehefa nisy havany 12 taona maty tamin’ny 2014. Natao batisa tamin’ny 2017

Mombamomba an’ilay raharaha

Niampanga anabavy enina ho nanao heloka bevava ny manam-pahefana rosianina any Birobidzhan tamin’ny 6 Febroary 2020. Iray amin’izy ireo i Tatyana, izay 27 taona tamin’izany. Nampangaina ho nanao zavatra “mampidi-doza” ry zareo satria fotsiny hoe nanaraka ny fivavahany. Misy 19 izao ny raharaha iampangana Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io faritra io.

Resy lahatra i Tatyana hoe manampy azy hiaritra an’izao zava-tsarotra mahazo azy izao i Jehovah. Izao no nolazainy: “Tsy hadinoko mihitsy ny namaky Baiboly, na dia nikorontana kely aza ny fahazarako ara-panahy tamin’ny vao nanomboka ilay fanenjehana. Noresahiko tamin’i Jehovah daholo izay tsapako sy izay nampanahy ahy. Nangataka fanahy masina taminy aho mba hahafahako mizaka an’izay rehetra mitranga sady tsy hivadika hatramin’ny farany. Nivavaka koa aho mba hampiany hanana herim-po sy fahendrena, satria te hahavita hiaro ny anarany aho rehefa eny amin’ny fitsarana.”

Nilaza koa i Tatyana hoe: “Falifaly foana aho satria fantatro fa manohana sy manampy ary miaro ny mpanompony foana i Jehovah. Mitazona ahy amin’ny tanany havanana matanjaka be izy, dia lasa matoky azy tanteraka aho sady tony foana na dia miatrika olana aza.”​—Isaia 41:10.

Eo am-piandrasana an’izay didy havoakan’ny fitsarana, dia matoky isika fa hahavita ‘hiaritra fahoriana’ foana i Tatyana satria ampian’i Jehovah.​—Romanina 12:12.