Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Ny Rahalahy Vladimir Chesnokov sy Vladimir Dutkin ary Valeriy Yakovlev

7 JANOARY 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY | Miakatra Fitsarana ny Rahalahy Vladimir Chesnokov sy Vladimir Dutkin ary Valeriy Yakovlev Satria Mino An’Andriamanitra

VAOVAO FARANY | Miakatra Fitsarana ny Rahalahy Vladimir Chesnokov sy Vladimir Dutkin ary Valeriy Yakovlev Satria Mino An’Andriamanitra

Nolavin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny Repoblikan’i Tchouvache ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Vladimir Chesnokov sy Vladimir Dutkin ary Valeriy Yakovlev, tamin’ny 13 Aprily 2022. Nasaina nandoa ny onitra notakina taminy izy ireo.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Kalininskiy any Cheboksary ny Rahalahy Vladimir Chesnokov sy Vladimir Dutkin ary Valeriy Yakovlev, tamin’ny 10 Febroary 2022. Nasaina nandoa onitra 500 000 roubles (25 517 000 Ariary eo ho eo) ny Rahalahy Dutkin, dia ny Rahalahy Chesnokov sy Yakovlev indray samy nasaina nandoa onitra 400 000 roubles avy (20 413 600 Ariary eo ho eo). Tsy migadra izy ireo.

Zava-nitranga

  1. 7 Jona 2021

    Nampidirina ho anisan’ny mpanao heloka bevava i Vladimir Chesnokov sy Valeriy Yakovlev

  2. 30 Desambra 2020

    Nomelohina hoe mpanao heloka bevava i Vladimir Dutkin dia tsy navela nanao dia lavitra

  3. 25 Novambra 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Vladimir Dutkin, dia natao savahao ny tranony. Nentina mba hatao famotorana koa izy

Ilay voampanga

Tena manampy ny rahalahy sy anabavintsika hiatrika ny olana mahazo azy isan’andro ny mamaky sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra. Lasa tsapan’izy ireo koa fa tena ao amin’ny ‘trano fialofan’i Jehovah’ tokoa izy ireo ‘amin’ny andro iavian’ny loza.’​—Salamo 27:5.