Hijery ny anatiny

Ambony (ankavia miankavanana): Rahalahy Vladimir Ermolaev sy Valeriya, vadiny; Rahalahy Sergey Kirilyuk sy Olga, vadiny

Ambany (ankavia miankavanana): Rahalahy Igor Mamalimov sy Natalya, vadiny; Rahalahy Aleksandr Putintsev sy Galina, vadiny

20 DESAMBRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Miandry Didim-pitsarana Ireo Rahalahy Efatra, Taorian’ilay Bemidina Tany Trans-Baikal

VAOVAO FARANY | Miandry Didim-pitsarana Ireo Rahalahy Efatra, Taorian’ilay Bemidina Tany Trans-Baikal

Nampakatra fitsarana ny Rahalahy Vladimir Ermolaev, Sergey Kirilyuk, Igor Mamalimov, ary Aleksandr Putintsev, nefa nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritanin’i Trans-Baikal izany tamin’ny 20 Septambra 2022. Mbola migadra àry i Vladimir sy Igor ary Aleksandr. I Sergey kosa mbola tsy naiditra am-ponja aloha izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Chita i Vladimir, Sergey, Igor, ary Aleksandr, tamin’ny 6 Jona 2022. Sazy mihantona enin-taona no azon’i Sergey. Samy voasazy higadra enin-taona sy tapany kosa i Vladimir sy Igor ary Aleksandr. Mihatra avy hatrany ny sazin’izy ireo.

Zava-nitranga

  1. 16 Martsa 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo

  2. 2 Febroary 2021

    Nampangaina hoe nandamina zavatra ataon’ny fikambanana raran’ny fanjakana i Vladimir, Sergey, Igor, ary Aleksandr

  3. 3 Aprily 2020

    Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Vladimir

  4. 15 Febroary 2020

    Nafahana i Sergey rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika dimy andro

  5. 12 Febroary 2020

    Nafahana i Igor sy Aleksandr, fa i Sergey mbola notazonina 72 ora fanampiny. Nasaina nambenana tao an-tranony nandritra ny 52 andro i Vladimir

  6. 10 Febroary 2020

    Nataon’ny polisin’ny FSB savahao ny tranona Vavolombelon’i Jehovah 50 tany amin’ny Faritanin’i Trans-Baikal. Anisan’ny nanaovana bemidina koa ny tranon’ireo Vavolombelona be taona sy kilemaina. Nodarohana teo imason’ny mamany sy ny zandriny vavy ny Vavolombelona iray mbola tsy ampy taona. Nisy rahalahy iray koa nampijalijalina. Rehefa vita ilay fisavana, dia rahalahy folo no voasambotra, anisan’izany i Igor, Aleksandr, Sergey, ary Vladimir

Ireo voampanga

Enga anie isika hanahaka ny finoana matanjaka ananan’ireo rahalahy malalantsika ireo. Hoatran’i Daniela sy ny namany telo lahy mantsy izy ireo, ka ‘tapa-kevitra ao am-pony’ fa tsy hivadika amin’i Jehovah na dia eo aza ny faneren’ny manam-pahefana.​—Daniela 1:8.