Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Ny Rahalahy sy Anabavy Sergey sy Anna Melnik, Valeriy sy Marina Rogozin, ary Igor sy Yevgeniya Yegozaryan

26 FEBROARY 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Miandry Didim-pitsarana ny Rahalahy Telo Rehefa avy Notanana Am-ponja Vonjimaika Fito Volana

VAOVAO FARANY | Miandry Didim-pitsarana ny Rahalahy Telo Rehefa avy Notanana Am-ponja Vonjimaika Fito Volana

Nolavin’ny fitsaram-paritr’i Volgograd ny fangatahana nataon’ny Rahalahy Sergey Melnik sy Valeriy Rogozin ary Igor Yegozaryan, tamin’ny 18 Martsa 2022 rehefa nampakatra fitsarana ry zareo. Mbola migadra izy telo lahy amin’izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Volgograd Traktorozavodsky daholo izy telo lahy tamin’ny 23 Septambra 2021. Nomelohina higadra enin-taona any am-ponja ny Rahalahy Yegozaryan sy Melnik. Ny Rahalahy Rogozin indray voaheloka higadra enin-taona sy dimy volana an-tranomaizina.

Ireo voampanga

Sergey Melnik

  • Teraka: 1972 (tany Volgograd, Faritr’i Volgograd)

  • Mombamomba azy: Nahazo diplaoma tany amin’ny sekoly teknika ka lasa mpanamboatra aotomobilina. Mpametaka sy mpanamboatra tafo no asany amin’izao. Nanambady an’i Anna tamin’ny 1993. Manan-janakalahy telo ry zareo. Tia mandehandeha sy miara-mijery ny natiora izy mianakavy

    Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Anna. Nianatra Baiboly koa i Sergey rehefa nahita hoe nampiova ny vadiny ilay izy. Natao batisa izy tamin’ny 1999

Valeriy Rogozin

  • Teraka: 1962 (tany Krasnokamsk, Faritr’i Perm)

  • Mombamomba azy: Miaramila izy, ary mpanamory fiara-manidina mpitondra miaramila no asany nandritra ny 12 taona, dia avy eo nisotro ronono ary lasa injeniera mpanao sary. Nanambady an’i Marina tamin’ny 1984. Manan-janakalahy roa ry zareo

    Nanomboka nianatra Baiboly izy tamin’ny 1990 tany ho any. Natao batisa tamin’ny 1998

Igor Yegozaryan

  • Teraka: 1965 (tany Volgograd, Faritr’i Volgograd)

  • Mombamomba azy: Mpanao kiraro sady elektrisianina no asany. Tena tia mozika hatramin’ny mbola kely. Tia mitendry gitara. Nanambady an’i Yevgeniya tamin’ny 2002. Manan-janaka lahitokana ry zareo

    Ny mamany no nahafantarany ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena nahavariana azy ilay hoe mitombina tsara sy tsotra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 1992

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tany amin’ny trano fito tany amin’ny Faritr’i Volgograd, any Rosia, ny polisy sy ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) tamin’ny 16 Mey 2019. Namoaka didy ny mpitsara tao amin’ilay fitsaram-paritra ny afakampitson’io hoe tanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Melnik sy Rogozin ary Yegozaryan. Voatana tany fito volana izy telo lahy.

Efa tafaraka amin’ny fianakaviany indray izao izy telo lahy. Mbola miatrika olana maromaro anefa ry zareo mandra-pivoakan’ny didim-pitsarana. Natao tao anatin’ny lisitra voasoratra ao amin’ny Sampan-draharaha Mpanara-maso ny Vola any Rosia, ohatra, i Valeriy. “Tsy navelan-dry zareo haka vola tao amin’ny kaontiko rehetra any amin’ny banky aho”, hoy i Valeriy, “sady tsy navelan-dry zareo hampiasa telefaonina sy Internet. Lasa tsy an’asa aho satria ilaiko amin’ny asa ireo fitaovana ireo.” Mianina amin’ny vola fisotroan-dronono ho an’ny be taona izy mivady mba hahazoana an’izay ilainy isan’andro. Tena nila nanatsotra fiainana be mihitsy ry zareo.

Noferan’ny fitsarana koa ny zavatra azon’i Sergey sy Igor atao, ka lasa sahirana ry zareo vao mahita asa. Tapatapaka foana mantsy ny asan’i Sergey amin’ilay mankany amin’ny fitsarana matetika be. Hoy izy: “Mpametaka tafo no asako. Dia asan-tselika sisa no azoko atao amin’ilay izaho mankany amin’ny fitsarana matetika, satria ireny no mba azo vitaina amin’ilay fotoana tsy ankanesana any amin’ny tribonaly.”

I Igor indray marary dia mila mankany amin’ny hopitaly matetika. Hoy izy: “Sarotra be ny mahita asa amin’ilay izaho voaheloka.” Sady marary izy no sahirana ara-bola. Hoy izy: “Nanome anay fianakaviana ara-panahy be dia be i Jehovah, fianakaviana tsy mba nandao anay tamin’ny sarotra.”

Hitantsika amin’izany fa tena sahirana ara-bola be ny rahalahintsika sy ny fianakaviany satria be dia be ny zavatra tsy azon’izy ireo atao. Matoky anefa isika hoe tsy hivadika mihitsy ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia, sady homen’i Jehovah an’izay rehetra ilainy.​—Matio 6:33.