Hijery ny anatiny

Rahalahy Sergey Belousov

1 APRILY 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY | Miaro ny Anaran’Andriamanitra ny Rahalahy Sergey Belousov

VAOVAO FARANY | Miaro ny Anaran’Andriamanitra ny Rahalahy Sergey Belousov

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Tomsk ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Sergey Belousov, tamin’ny 30 Jona 2022. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.

Nomelohin’ny fitsarana any Seversk, any amin’ny Faritr’i Tomsk, ny Rahalahy Sergey Belousov, tamin’ny 14 Aprily 2022, ary nomeny sazy mihantona telo taona.

Zava-nitranga

  1. 14 Jolay 2020

    Nisy polisy avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) nanao bemidina tany amin’ny trano fito an’ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny tranon’i Sergey. Mody niseho ho liana tamin’ny Baiboly ny olona iray nirahin’ny fitondrana, dia naka feo an-tsokosoko ny fivorian’ny fiangonana izy nandritra ny volana maromaro talohan’izay

  2. 25 Martsa 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Sergey

  3. 30 Martsa 2021

    Ny feo noraisin’ilay olona nirahin’ny fanjakana no natao porofo niampangana an’i Sergey. Nampangaina izy hoe nandray anjara tamin’ny fotoam-pivavahana natao tamin’ny alalan’ny fitaovana fanaovana vidéoconférence ary nihira sy nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra

Ilay voampanga

Resy lahatra hoatran’i Sergey isika hoe “hampitombo ny herin’ny vahoakany” i Jehovah rehefa manome voninahitra ny anarany isika.​—Salamo 148:13, 14.