Hijery ny anatiny

Rahalahy Sergey Melnikov

25 MARTSA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Milaza ny Rahalahy Sergey Melnikov fa Nomen’i Jehovah “Hery Mihoatra Noho ny An’ny Olombelona” Izy Rehefa Nogadraina Noho ny Finoany

VAOVAO FARANY | Milaza ny Rahalahy Sergey Melnikov fa Nomen’i Jehovah “Hery Mihoatra Noho ny An’ny Olombelona” Izy Rehefa Nogadraina Noho ny Finoany

Nolavin’ny Fitsaram-paritra any amin’ny Faritanin’i Primorye ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Sergey Melnikov, tamin’ny 12 Mey 2022. Tsy voatery migadra izy amin’izao.

 

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Ussuriyskiy, any amin’ny Faritanin’i Primorye i Sergey, tamin’ny 3 Febroary 2022. Nomena sazy mihantona telo taona izy.

Ilay voampanga

Sergey Melnikov

  • Teraka: 1973 (tany Terney, Faritanin’i Primorye)

  • Mombamomba azy: Mpandrafitra, mpamono afo, mpanjono, ary mpanadio trano no asany. Tia milalao hockey sy voley tamin’izy mbola tanora. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2000 tany ho any. Nifindra tany Ussuriysk tamin’ny 2003 ary natao batisa tamin’io taona io ihany

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanomboka tamin’ny Jona 2019 no nampangaina hoe mpanao heloka bevava ny Rahalahy Sergey Melnikov. Nosamborin’ny manam-pahefana izy tamin’izy niresaka momba ny Baiboly tamin’ny lehilahy iray liana. Nosavain’ny manam-pahefana koa ny tranony, dia nalain-dry zareo ny ordinaterany entin-tanana sy ny telefaoniny.

Notanana am-ponja vonjimaika efa-bolana i Sergey, dia avy eo nambenana tao an-trano nandritra ny 145 andro. Nisy fotoana i Sergey nahatsapa hoe tsy ho vitany intsony ilay miaritra. Amin’ireny fotoana ireny mihitsy anefa no tadidiny ilay 1 Korintianina 10:13, dia tonga izy dia maivamaivana. Hoy izy: “Lasa azoko hoe matoa i Jehovah mamela an’ireny fitsapana ireny hihatra amiko dia zakako izany ilay izy. Nomen’i Jehovah ‘hery mihoatra noho ny an’ny olombelona’ aho.”​—2 Korintianina 4:7.

Tsy nambenana tao an-trano intsony i Sergey tamin’ny 25 Febroary 2020. Mbola noferan’ny manam-pahefana anefa ny toerana azony aleha.

Mbola miandry didim-pitsarana isika amin’izao. Matoky anefa isika fa mbola ho ‘mpanampy sy ampinga’ ho an’i Sergey sy ny mpiara-manompo amintsika any Rosia foana i Jehovah.​—Salamo 115:11.