Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Ranabavy Nadezhda Anoykina sy Lyubov Galaktionova ary Nailya Kogay; Rahalahy Valentin Osadchuk; Ranabavy Nina Purge sy Raisa Usanova ary Yelena Zayshchuk

23 SEPTAMBRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Mitoky Amin’i Jehovah sy ny Mpiara-manompo ny Anabavy Enina sy ny Rahalahy Iray Miakatra Fitsarana

VAOVAO FARANY | Mitoky Amin’i Jehovah sy ny Mpiara-manompo ny Anabavy Enina sy ny Rahalahy Iray Miakatra Fitsarana

Tamin’ny 1 Jona 2022, dia nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninski any Vladivostok ny Rahalahy Valentin Osadchuk sy ireto anabavy ireto: Nadezhda Anoykina, Lyubov Galaktionova, Nailya Kogay, Nina Purge, ary Raisa Usanova. Samy nahazo sazy mihantona roa taona avy i Nadezhda, Lyubov, Nailya, Nina, ary Raisa. Ny an’i Valentin indray sazy mihantona enin-taona no azony. Mbola tsy nampidirina am-ponja aloha izy ireo izao. Mbola mihantona kosa ny raharaha momba ny Ranabavy Yelena Zayshchuk, 87 taona, satria marary mafy izy.

Zava-nitranga

  1. 19 Janoary 2021

    Nafindra tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Leninski any Vladivostok ilay raharaha

  2. 12 Novambra 2019

    Naverina tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha

  3. 5 Aprily 2019

    Nafahana i Valentin, rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 274 andro. Izy irery no rahalahy tafiditra amin’ity raharaha ity. Nambenana tany an-tranony izy nanomboka tamin’io andro io

  4. 19 Aprily 2018

    Nisava ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah fito ny polisy avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB)

  5. 9 Aprily 2018

    Nampakatra fitsarana an’i Valentin sy ireo anabavy enina ny Sampan-draharaha Mpanadihady ao amin’ny FSB, izay misahana ny Faritanin’i Primorié

Ireo voampanga

Mampahery antsika foana ny ohatra tsara omen’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika any Rosia. Porofoin’izy ireo hoe anisan’izay manam-pinoana izy ireo mba ho voatsimbina ny ainy.​—Hebreo 10:39.