Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksey Ukhov

3 FEBROARY 2022 | VAOVAO FARANY: 20 JOLAY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: NAFAHANA ILAY RAHALAHY | Lasa Matoky An’i Jehovah ny Rahalahy Aleksey Ukhov Rehefa Mamaky Baiboly Isan’andro sy Misaintsaina

VAOVAO FARANY: NAFAHANA ILAY RAHALAHY | Lasa Matoky An’i Jehovah ny Rahalahy Aleksey Ukhov Rehefa Mamaky Baiboly Isan’andro sy Misaintsaina

Tamin’ny 18 Jolay 2023, dia novan’ny fitsarana any amin’ny Faritanin’i Khabarovsk ilay sazin’ny Rahalahy Aleksey Ukhov hoe migadra enin-taona sy tapany. Lasa sazy mihantona enin-taona sy tapany ilay izy. Nafahana izy, fotoana fohy taorian’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Sovetskaïa Gavan, any amin’ny Faritanin’i Khabarovsk, i Aleksey tamin’ny 24 Martsa 2023, ary voasazy higadra enin-taona sy tapany. Tonga dia nentina tany am-ponja izy rehefa avy teny amin’ny fitsarana.

Zava-nitranga

  1. 22 Oktobra 2020

    Nataon’ny polisin’ny FSB savahao ny tranon-dry Ukhov. Nalain’izy ireo daholo ny fitaovana elektronika, clés USB, puce ho an’ny telefaonina, karatry ny banky, antontan-taratasy manokana, ary boky sy gazety vita pirinty. Nentin’ireo mpanao famotorana mba hotazonina vonjimaika tany amin’ny toerana iray i Aleksey

  2. 23 Oktobra 2020

    Namoaka didy ny fitsarana hoe tokony hotanana am-ponja vonjimaika izy

  3. 9 Jolay 2021

    Nafahana izy ary nasaina niala tao amin’ilay faritra nitanana azy am-ponja, izany hoe tao Komsomolsk-sur-l’Amour

  4. 6 Septambra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Fantatsika hoe hotahin’i Jehovah foana i Aleksey satria ‘manankina ny fiainany amin’Ilay mitsara araka ny rariny.’​—1 Petera 2:23.