Hijery ny anatiny

Ankavia: Rahalahy Yuriy Baranov sy Nadezhda, vadiny. Ankavanana: Rahalahy Nikolay Stepanov sy Alla, vadiny

8 JONA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: NAFAHANA ILAY RAHALAHY | Manohana Azy Ireo ny Mpiara-manompo

VAOVAO FARANY: NAFAHANA ILAY RAHALAHY | Manohana Azy Ireo ny Mpiara-manompo

Nampakatra fitsarana ny Rahalahy Yuriy Baranov sy Nikolay Stepanov, ka namoaka didy mifandray amin’izany ny Fitsaram-paritr’i Vologda tamin’ny 10 Novambra 2022. Tsy niova ny sazin’i Yuriy. Lasa sazy mihantona efa-taona kosa no azon’i Nikolay, raha sazy mihatra efa-taona izany teo aloha. Tonga dia nafahana avy any am-ponja izy.

Nomelohin’ny fitsarana ao amin’ny tanànan’i Vologda i Yuriy sy Nikolay, tamin’ny 5 Septambra 2022. Sazy mihantona efa-taona no azon’i Yuriy. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao. Sazy mihatra efa-taona kosa no azon’i Nikolay, ary tonga dia naiditra am-ponja izy.

Zava-nitranga

  1. 19 Desambra 2019

    Niditra an-keriny tao an-tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah enina tany Vologda ny polisy. Nosamborina i Yuriy sy Nikolay ary notazonina vonjimaika tany amin’ny toerana iray

  2. 20 Desambra 2019

    Nafahana i Yuriy ary nambenana tao an-tranony

  3. 23 Desambra 2019

    Notanana am-ponja vonjimaika i Nikolay

  4. 16 Martsa 2020

    Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Yuriy. Mbola nisy fameperana nampiharina taminy anefa ka voafetra ny fampiasany telefaonina sy Internet, sady tsy dia afaka niresaka tamin’ireo olona voarohirohy tamin’ilay fiampangana azy izy

  5. 19 Mey 2020

    Nesorina daholo ny fameperana nampiharina tamin’i Yuriy

  6. 13 Aogositra 2020

    Nafahana i Nikolay ary nambenana tao an-tranony

  7. 25 Septambra 2020

    Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Nikolay

  8. 7 Martsa 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo

Ireo voampanga

Manatanjaka ny finoantsika ny mahita hoe tsy mivadika mihitsy ireo rahalahintsika ireo na dia enjehina aza.​—1 Tesalonianina 3:7.