8 DESAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 15 FEBROARY 2023
ROSIA
VAOVAO FARANY: NAHENA NY ONITRA | Matoky hoe Manohana i Jehovah
Nahenan’ny Fitsarana Tampon’ny Repoblikan’i Tchouvachie ny onitra takina amin’ny Ranabavy Nina Martynova sy Zoya Pavlova, tamin’ny 13 Febroary 2023. Onitra 350 000 roubles (21 tapitrisa ariary mahery) ilay teo aloha ary nahena ho 80 000 roubles (4,8 tapitrisa ariary mahery). Tsy miova kosa ny sazy mihantona azon’ny Rahalahy Martynov sy Mikhail Yermakov.
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Alatyrskiy any amin’ny Repoblikan’i Tchouvachie i Andrey, Nina, Zoya, ary Mikhail, tamin’ny 22 Desambra 2022. Nampandoavina onitra 350 000 roubles (21 tapitrisa ariary mahery) i Nina sy Zoya. Nahazo sazy mihantona enin-taona i Andrey sy Mikhail. Tsy migadra ry zareo amin’izao.
Ireo voampanga
Tsy mivadika ny mpiara-manompo amintsika na dia enjehina aza. Afaka ny ho “feno toky hoatran’ny liona” mitovy amin’izy ireo koa isika sady ho resy lahatra hoe tia sy manohana antsika i Jehovah.—Ohabolana 28:1.
Zava-nitranga
23 Jona 2021
Be dia be ny trano nosavana tany Alatyr
28 Oktobra 2021
Nanomboka natao famotorana i Andrey satria nolazaina hoe nandamina asan’ny fikambanana “mampidi-doza.” Tsy navela niala ny tanàna nisy azy
25 Aprily 2022
Nampangaina i Andrey. Nampangaina hoe mpanao heloka bevava koa i Nina ary voaheloka hoe nandray anjara tamin’ny asa ataon’ny fikambanana “mampidi-doza”
26 Aprily 2022
Nampangaina hoe nandray anjara amin’ny asa ataon’ny fikambanana “mampidi-doza” koa i Zoya
28 Aprily 2022
Nampangaina hoe nandamina asa ataon’ny fikambanana “mampidi-doza” i Mikhail
31 Aogositra 2022
Nanomboka ny fitsarana