Hijery ny anatiny

Ranabavy Lyudmila Salikova

31 JANOARY 2022 | VAOVAO FARANY: 27 MARTSA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: NAHENA NY SAZINY | Mahazo Hery sy Fampiononana avy Amin’i Jehovah ny Ranabavy Lyudmila Salikova

VAOVAO FARANY: NAHENA NY SAZINY | Mahazo Hery sy Fampiononana avy Amin’i Jehovah ny Ranabavy Lyudmila Salikova

Nampakatra fitsarana fanindroany ny Ranabavy Lyudmila Salikova, ary navoakan’ny Fitsaram-paritr’i Tcheliabinsk ny didy momba an’ilay izy, tamin’ny 23 Martsa 2023. Nahazo sazy mihantona enin-taona izy teo aloha fa nahenan’ny fitsarana roa taona sy tapany ilay izy. Mbola tsy nampidirina am-ponja aloha izy izao.

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Tcheliabinsk ny fampakarana fitsarana nataon’i Lyudmila, tamin’ny 17 Martsa 2022.

Nomelohin’ny fitsaran’i Snejinsk, any amin’ny faritr’i Tcheliabinsk, ny Ranabavy Lyudmila Salikova, tamin’ny 10 Janoary 2022. Sazy mihantona enin-taona no azony.

Zava-nitranga

  1. Novambra 2020

    Nataon’ny polisy savahao ny tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah efatra, ary anisan’izany ny tranon’i Lyudmila. Natao savahao koa ny toeram-piasany, ary noterena hiala tamin’ny asany izy taorian’izay

  2. 26 Aogositra 2021

    Nampangaina ho nandamina fotoam-pivavahana ho an’ny fikambanana raran’ny fanjakana i Lyudmila, ary koa hoe nanafatra boky sy gazety voararan’ny fanjakana

  3. 8 Desambra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Mahazo hery sy fampiononana avy amin’i Jehovah foana ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Tena tia antsika izy, ary mampanantena fa “hanome rariny ho an’ny kamboty ray sy izay ampijalina ... mba tsy hampatahotra azy ireo intsony ny olombelona mety maty, dia ny olona etỳ an-tany.”​—Salamo 10:18.