Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Rahalahy Yegor Baranov syYen Sen Li

13 AOGOSITRA 2021 | VAOVAO FARANY: 6 MARTSA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: NAHENA NY SAZINY | Tony sy Natoky An’i Jehovah Foana ny Rahalahy Baranov sy Li

VAOVAO FARANY: NAHENA NY SAZINY | Tony sy Natoky An’i Jehovah Foana ny Rahalahy Baranov sy Li

Nahenan’ny fitsarana any amin’ny Faritanin’i Khabarovsk ho sazy mihantona efa-taona sy tapany ny sazin’ny Rahalahy Yegor Baranov, tamin’ny 1 Martsa 2023. Mbola tsy migadra izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Vyazemskiy any amin’ny Faritanin’i Khabarovsk i Yegor, tamin’ny 6 Jona 2022. Sazy mihantona dimy taona no azony. Mampalahelo fa maty talohan’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana ny Rahalahy Yen Sen Li.

Zava-nitranga

  1. 2 Febroary 2021

    Nanomboka nodinihina teny amin’ny fitsarana ny raharaha mahakasika an’i Yegor sy Yen Sen

  2. 20 Novambra 2020

    Nafahana i Yegor rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika mandritra ny 177 andro

  3. 26 Aogositra 2020

    Nalain’ny Fitsaram-paritra any Khabarovsk ny fiaran’i Yen Sen

  4. 29 Mey 2020

    Notanana am-ponja vonjimaika i Yegor

  5. 26 Mey 2020

    Nomelohin’ny manam-pahefana ao amin’ny Faritr’i Khabarovsk i Yegor sy Yen Sen hoe mpanao heloka bevava

Ilay voampanga

Mendri-piderana ireo mpiara-manompo amintsika ireo fa matoky an’i Jehovah foana ry zareo. Matoky koa isika fa hanatanjaka azy ireo i Jehovah mba hahavita hiaritra izy ireo.​—2 Tesalonianina 3:3.