Hijery ny anatiny

Ambony ankavia: Rahalahy Pyotr Filiznov. Ambany ankavia: Rahalahy Andrey Vyushin. Ankavanana: Rahalahy Aleksandr Kuznetsov sy Mariya vadiny

13 FEBROARY 2023 | VAOVAO FARANY: 6 NOVAMBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: NAMPAKATRA FITSARANA | Tratran’ny Fanenjehana ny Fianakaviana Telo any Yaroslavl

VAOVAO FARANY: NAMPAKATRA FITSARANA | Tratran’ny Fanenjehana ny Fianakaviana Telo any Yaroslavl

Nampakatra fitsarana ny Rahalahy Pyotr Filiznov sy Andrey Vyushin, ary neken’ny Fitsaram-paritr’i Dzerzhinsky any Yaroslavl ny ampahany tamin’ny fangatahan-dry zareo, tamin’ny 30 Oktobra 2023. Nahena ho roa taona sy tapany àry ilay sazy mihantona enin-taona sy tapany azon-dry zareo. Tsy miova kosa ny sazin’ny Rahalahy Aleksandr Kuznetsov sy Mariya vadiny.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Dzerzhinsky any Yaroslavl ny Rahalahy Pyotr Filiznov, Rahalahy Aleksandr Kuznetsov sy Ranabavy Mariya Kuznetsova vadiny, ary ny Rahalahy Andrey Vyushin, tamin’ny 3 Aogositra 2023. Samy nahazo sazy mihantona daholo ry zareo. Enin-taona sy tapany ny an’i Andrey sy Pyotr, ary roa taona sy tapany ny an’i Aleksandr sy Mariya. Mbola tsy migadra aloha ry zareo izao.

Ireo voampanga

Resy lahatra koa isika hoe afaka ny ho anisan’ireo ‘matoky an’i Jehovah sy tsy voahozongozona’, hoatran’ireo mpanompon’i Jehovah efatra ireo.​—Salamo 125:1.

Zava-nitranga

  1. 13 Aprily 2021

    Notazonina vonjimaika rehefa avy nosavan’ny manam-pahefana ny tranony

  2. 15 Aprily 2021

    Nalefa tany am-ponja vonjimaika

  3. 14 Jolay 2021

    Navoaka tany am-ponja ary tsy nahazo niala ny faritra nisy azy

  4. 9 Septambra 2022

    Nanomboka notsaraina