Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Rustam Diarov, Rahalahy Yevgeniy Ivanov sy Olga vadiny, ary Rahalahy Sergey Klikunov

21 OKTOBRA 2021 | VAOVAO FARANY: 26 DESAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: NAMPITOMBOINA NY SAZINY | Falifaly na dia Nambenana tao An-trano sy Mbola Hogadraina Ela Be Aza

VAOVAO FARANY: NAMPITOMBOINA NY SAZINY | Falifaly na dia Nambenana tao An-trano sy Mbola Hogadraina Ela Be Aza

Vao mainka nampitomboin’ny fitsarana ambony ambaratonga fahefatra any Rosia ny sazin’ny Rahalahy Rustam Diarov sy Sergey Klikunov ary ny Rahalahy Yevgeniy Ivanov sy Olga vadiny, tamin’ny 22 Desambra 2022. Namoaka didy ny mpitsara hoe tsy mahazo miala ao Astrakhan ry zareo rehefa avy manefa ny saziny. Mbola notanana am-ponja vonjimaika izy efatra mianadahy tamin’ny fotoana namoahana an’io didy io, dia tamin’ny alalan’ny video ry zareo no nanatrika an’ilay fitsarana.

Nampakatra fitsarana ambony mantsy ny Rahalahy Rustam Diarov sy Sergey Klikunov ary ny Rahalahy Yevgeniy Ivanov sy Olga vadiny, dia nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Astrakhan ny fangatahan-dry zareo tamin’ny 3 Martsa 2022. Mbola migadra izy efatra mianadahy amin’izao.

Zava-nitranga

  1. 25 Oktobra 2021

    Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Trusovskiy, any Astrakhan, higadra valo taona i Rustam sy Yevgeniy ary Sergey. I Olga vadin’i Yevgeniy indray voaheloka higadra telo taona sy tapany. Efa nigadra izy telo lahy rehefa navoaka io didy io. I Olga kosa tonga dia naiditra am-ponja vao vita ilay fitsarana

  2. 11 Jona 2020

    Notanana am-ponja vonjimaika i Rustam sy Yevgeniy ary Sergey fa i Olga nambenana tao an-trano.

  3. 9 Jona 2020

    Nisy miaramila 100 mahery nisava tranona Vavolombelon’i Jehovah tany Astrakhan. Tokantrano miisa 27 no nosavan-dry zareo tamin’izay. Notanana am-ponja vonjimaika i Rustam, Yevgeniy, Olga, ary Sergey.

  4. 8 Jona 2020

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Rustam, Yevgeniy, Olga, ary Sergey. Nolazaina hoe mandamina sy manohana ny zavatra ataona fikambanana mampidi-doza, hono, izy telo lahy. I Olga kosa nampangaina hoe mandray anjara amin’ny zavatra ataona fikambanana mampidi-doza.

Ireo voampanga

Mampahery antsika ny mahalala hoe eo akaikin’ny mpanompony tsy mivadika eo foana i Jehovah, rehefa miatrika fitsapana ry zareo.​—Salamo 139:5, 10.