Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Kabanov

8 AOGOSITRA 2022 | VAOVAO FARANY: 29 DESAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: NIOVA NY DIDIM-PITSARANA | Tony Foana i Aleksandr Kabanov Satria Efa Niomana

VAOVAO FARANY: NIOVA NY DIDIM-PITSARANA | Tony Foana i Aleksandr Kabanov Satria Efa Niomana

Nolazain’ny Fitsarana any Krasnoïarsk, tamin’ny 27 Desambra 2022, hoe tsy manan-kery indray ny sazy mihantona roa taona sy enim-bolana mihatra amin’ny Rahalahy Aleksandr Kabanov, ary nangataka fitsarana vaovao izy ireo. Namoaka didim-pitsarana momba ny Rahalahy Kabanov ny Fitsaran’i Zelenogorsk, tamin’ny 5 Aogositra 2022, saingy nampakarina fitsarana ambony kokoa ilay raharaha. Tsy mahazo miala eo an-toerana izy mandra-pahatongan’ilay fitsarana vaovao.

Tsy ho ela ny fitsarana any Zelenogorsk, ao amin’ny Faritanin’i Krasnoïarsk, dia hamoaka didy momba ny Rahalahy Aleksandr Kabanov. Sazy roa taona sy tapany an-tranomaizina no nangatahin’ny mpampanoa lalàna hampiharina aminy.

Zava-nitranga

  1. 26 Desambra 2019

    Nosamborina sy nampangaina hoe nandray anjara tamin’ny zavatra nataon’ny fikambanana raran’ny fanjakana. Tafiditra amin’izany ny hoe namaky Baiboly sy niresaka tamin’ny hafa momba an’i Jehovah. Notazonina vonjimaika tao amin’ny toerana iray

  2. 27 Desambra 2019

    Nafahana satria nolavin’ny mpitsara ny fangatahan’ny mpampanoa lalàna hoe hampidirina am-ponja vonjimaika izy

  3. 6 Desambra 2021

    Nilaza ny teniny farany teo anatrehan’ny fitsarana i Aleksandr. Tsy nanasazy azy ny mpitsara fa namerina an’ilay raharaha hatramin’ny voalohany indray, ka lasa nitarazoka be ilay izy

  4. 25 Martsa 2022

    Naverina indray ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Tena manam-pinoana ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia, ka modely ho antsika. Hita amin’ny fiainan-dry zareo ilay resahin’ny Isaia 12:2 hoe: “Andriamanitra no mpamonjy ahy. Hatoky aho ka tsy hatahotra be, fa i Jah Jehovah no tanjako sy heriko.”