Hijery ny anatiny

Rahalahy Pavel Brilkov

15 NOVAMBRA 2023 | VAOVAO FARANY: 13 MARTSA 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: NIOVA NY SAZY | ‘Tapa-kevitra ny Hatoky An’i Jehovah Aho’

VAOVAO FARANY: NIOVA NY SAZY | ‘Tapa-kevitra ny Hatoky An’i Jehovah Aho’

Ho valin’ny fampakaram-pitsarana nataon’ny Rahalahy Pavel Brilkov, dia novan’ny fitsarana any amin’ny Faritanin’i Kemerovo ny saziny, tamin’ny 12 Martsa 2024. Voaheloka hanao asa an-terivozona izy teo aloha, dia izao izy lasa nahazo sazy mihantona roa taona. Tsy mbola naiditra am-ponja aloha izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Prokopievsk hanao asa an-terivozona a roa taona sy folo volana ny Rahalahy Pavel Brilkov, tamin’ny 15 Janoary 2024. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.

Ilay voampanga

Na dia malahelo aza isika hoe enjehina ireo rahalahy sy anabavintsika, dia tapa-kevitra isika hoe “hiandry an’ilay Andriamanitra mpamonjy [antsika].” (Mika 7:7) Efa tsy andrintsika koa ny hahita ireo fitahiana amin’ny hoavy.

Zava-nitranga

  1. 10 Novambra 2021

    Nosavana ny tranony. Samy natao famotorana i Pavel sy Vera

  2. 30 Mey 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  3. 16 Martsa 2023

    Tsy navela hanao dia lavitra

  4. 25 Mey 2023

    Nanomboka ny fitsarana azy

a Mahazo asa avy amin’ny manam-pahefana ny olona iray voaheloka hanao asa an-terivozona. Alaina aminy anefa ny 5 ka hatramin’ny 20 isan-jaton’ny karamany. Raha milaza ny manam-pahefana hoe tsy miara-miasa tsara amin-dry zareo ilay olona na tsy mety hiasa, dia mety halefa any am-ponja izy.