Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Rahalahy Anton Chermnykh sy Sergey Korolchuk ary Dmitriy Tishchenko

14 JOLAY 2021 | VAOVAO FARANY: 2 DESAMBRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: NIVOAKA NY DIDIM-PITSARANA | Efa Niomana Mialoha Hiatrika Fanenjehana ny Rahalahy Telo dia Nahavita Tsy Nivadika

VAOVAO FARANY: NIVOAKA NY DIDIM-PITSARANA | Efa Niomana Mialoha Hiatrika Fanenjehana ny Rahalahy Telo dia Nahavita Tsy Nivadika

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Ussuriyskiy, any amin’ny Faritanin’i Primorye, ny Rahalahy Anton Chermnykh sy Sergey Korolchuk ary Dmitriy Tishchenko, tamin’ny 30 Novambra 2022. Samy nomena sazy mihantona enin-taona izy ireo. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy ireo izao.

Zava-nitranga

  1. 23 Septambra 2020

    Nanomboka ny fitsarana an’i Anton sy Sergey ary Dmitriy

  2. 7 Jolay 2020

    Nampangaina tamin’ny fomba ofisialy i Anton sy Sergey ary Dmitriy hoe sefon’ny fikambanana ara-pivavahana “mampidi-doza” sy voarara

  3. 18 Jona 2019

    Notanana am-ponja vonjimaika roa andro i Sergey

Ireo voampanga

Mbola mitohy izao ny fitsapana sy fanenjehana mahazo an’i Anton sy Sergey ary Dmitriy. Fantatsika anefa fa hotahin’i Jehovah ry zareo satria tsy mivadika.​—Ohabolana 28:20.