Hijery ny anatiny

Rahalahy Andrey Sazonov

26 AOGOSITRA 2021 | VAOVAO FARANY: 12 JANOARY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOFOANANA NY FANAMELOHANA | Norahonana Higadra 15 Taona ny Raim-pianakaviana Iray Manan-janaka Roa, Noho ny Zavatra Inoany

VAOVAO FARANY: NOFOANANA NY FANAMELOHANA | Norahonana Higadra 15 Taona ny Raim-pianakaviana Iray Manan-janaka Roa, Noho ny Zavatra Inoany

Nofoanan’ny Fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena any Khantys-Mansis – Iougra ny fanamelohana ny Rahalahy Andrey Sazonov, tamin’ny 11 Janoary 2024. Haverina tsaraina any amin’ny Fitsaran’i Ouraï, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena any Khantys-Mansis – Iougra, indray izao ilay raharaha.

Zava-nitranga

  1. Nomelohin’ny Fitsaran’i Ouraï, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena any Khantys-Mansis – Iougra, ny Rahalahy Andrey Sazonov, tamin’ny 24 Desambra 2021, ka nasainy nandoa onitra 500 000 roubles (28 tapitrisa ariary eo ho eo). Mety higadra 15 taona izy. Diso fanantenana isika satria voaheloka ny rahalahintsika. Faly anefa isika hoe tsy voatery mankany am-ponja izy

  2. 22 Jona 2020

    Nanomboka notsaraina i Andrey

  3. 22 Aogositra 2019

    Tsy nambenana tao an-trano intsony, saingy nisy zavatra maromaro tsy navelan’ny fitsarana nataony, ohatra hoe manao dia lavitra

  4. 26 Febroary 2019

    Nambenana tao an-trano

  5. 6 Febroary 2019

    Notanan’ny polisy vonjimaika tany amin’ny trano iray. Nosavana ny toeram-piasany sy ny fiarany ny afakampitson’iny, dia avy eo izy nalefa tany amin’ny toby fitanana vonjimaika

  6. 31 Janoary 2019

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava satria “nandamina sy nandray anjara tamin’ny asa fanaon’ny fikambanana mampidi-doza”

Ilay voampanga

Tena mahafaly antsika ny modely tsara homen’ireo rahalahy sy anabavy any Rosia ireo, amin’izao fanenjehana mbola mitohy izao. Matoky isika hoe mbola ‘hanome fahasahiana sy hanatanjaka’ an-dry zareo foana i Jehovah.​—Salamo 138:3.