Hijery ny anatiny

Rahalahy Danil Suvorov

16 DESAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 20 JONA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Faly na dia Mbola Miatrika Olana Aza

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Faly na dia Mbola Miatrika Olana Aza

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Tsentralnyi any Sochi ny Rahalahy Danil Suvorov, tamin’ny 20 Jona 2023, ary voasazy higadra enin-taona. Efa hatramin’ny 18 Aogositra 2021 i Danil no notanana am-ponja, ary mbola hitohy izany.

Ilay voampanga

Mampahery ny mahafantatra hoe raha mazoto manao zavatra ara-panahy sy mifandray akaiky amin’i Jehovah isika, dia ho faly foana na inona na inona olana atrehintsika.​—Salamo 16:11.

Zava-nitranga

  1. 13 Aogositra 2021

    Voampanga hoe mpanao heloka bevava satria nisy olona nijoro vavolombelona niampanga azy. Mody niseho ho liana tamin’ny Baiboly io olona io nefa kay mpiara-miasa amin’ny manam-pahefana

  2. 18 Aogositra 2021

    Nosavana ny tranony. Nosamborina ary notazonina tany amin’ny toerana iray

  3. 19 Aogositra 2021

    Nalefa tany am-ponja vonjimaika

  4. 29 Aprily 2022

    Nampangaina hoe nandamina asa ataon’ny fikambanana mampidi-doza, sady nandray anjara sy nitarika olona tamin’ilay izy

  5. 10 Jona 2022

    Nanomboka notsaraina

a b Mbola notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Suvorov tamin’ny fotoana nanomanana an’ity lahatsoratra ity, ka tsy afaka niresadresaka taminy izahay.