Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Inver Siyukhov

18 MEY 2022 | VAOVAO FARANY: 12 MARTSA 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Feno Herim-po i Inver Siyukhov

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Feno Herim-po i Inver Siyukhov

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Maykop, any amin’ny Repoblikan’i Adygeya, higadra enin-taona ny Rahalahy Inver Siyukhov, tamin’ny 7 Martsa 2024. Efa notanana am-ponja vonjimaika izy nanomboka tamin’ny Aprily 2021, dia mbola higadra ihany.

Zava-nitranga

  1. 15 Aprily 2021

    Voaheloka satria nandamina fivoriana tamin’ny fitaovana fanaovana vidéoconférence

  2. 16 Aprily 2021

    Nosavana ny tranon’i Inver. Nosavana koa ny tranona Vavolombelona efatra hafa. Nofotopotorana izy dia notazonin’ny polisy

  3. 17 Aprily 2021

    Nalefa tany am-ponja vonjimaika

  4. 15 Aogositra 2021

    Nafindra tany amin’ny toby fitanana voara-maso be, any amin’ny 110 kilaometatra miala avy eo Maykop

  5. 13 Septambra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Matoky isika fa hiezaka foana ny mpiara-manompo amintsika any Rosia mba hanao “izay hahazoana hery avy amin’ny Tompo satria tena mahery izy.”​—Efesianina 6:10.

a Mbola voatana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Siyukhov, dia tsy nisy niresadresahana taminy.