Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Pavel Kazadaev

24 NOVAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 21 AOGOSITRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Hiezaka Mafy Hanompo An’i Jehovah Foana Izy na dia Enjehina Aza

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Hiezaka Mafy Hanompo An’i Jehovah Foana Izy na dia Enjehina Aza

Novan’ny Fitsaram-paritr’i Altai ho sazy mihatra telo taona, tamin’ny 18 Aogositra 2023 teo, ilay sazy mihantona nomena an’ny Rahalahy Pavel Kazadaev. Nampidirina am-ponja avy hatrany izy taorian’ny fitsarana azy.

Nomen’ny Fitsaram-paritr’i Industrialny, any Barnaul, Faritanin’i Altaï, sazy mihantona telo taona ny Rahalahy Pavel Kazadaev, tamin’ny 29 Mey 2023. Tsy voatery ampidirina am-ponja izy amin’izao.

Ilay voampanga

Manatanjaka finoana ny mahita hoe be atao sy falifaly foana ny mpanompon’i Jehovah na dia enjehina aza.​—Matio 5:11.

Zava-nitranga

  1. 11 Mey 2021

    Nanomboka ilay raharaha

  2. 27 Mey 2021

    Nanao bemidina tany amin’ny tranon-dry Pavel, tany Novokouznetsk, sy tany amin’ny tranon’ny havany tany amin’ny faritra hafa ny polisy. Be dia be mihitsy ny trano nanaovan’izy ireo bemidina, ka nantsoina hoe “Aramagedona” io hetsika nataon-dry zareo io. Nentina natao famotorana tany Barnaul i Pavel sy ny vadiny. Tanàna 350 kilaometatra avy eo amin’ny tranony ilay hoe Barnaul. Voaheloka ho mpanao heloka bevava izy, dia notanan’ny polisy vonjimaika, satria hoe nandray anjara tamin’ny asan’ny fikambanana mampidi-doza, hono

  3. 28 Mey 2021

    Navoaka ny fonja fa tsy navela hiala ny faritra nisy azy

  4. 12 Aogositra 2022

    Nanomboka ny fitsarana