Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Filatov

21 SEPTAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 2 JANOARY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Mahita Antony Be dia Be Ifaliana

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Mahita Antony Be dia Be Ifaliana

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Oktyabrskiy any Krasnoïarsk ny Rahalahy Aleksandr Filatov tamin’ny 28 Desambra 2022. Sazy higadra enin-taona no azony. Tonga dia notazonina any am-ponja izy.

Zava-nitranga

  1. 9 Jolay 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Aleksandr, satria hoe nikarakara ny zavatra ataon’ny fikambanana voararan’ny fanjakana

  2. 11 Jolay 2021

    Nosavana ny tranony

  3. 13 Jolay 2021

    Nosamborina ary nentina tany amin’ny Minisiteran’ny Atitany

  4. 15 Jolay 2021

    Notanana am-ponja vonjimaika

  5. 20 Janoary 2022

    Nanomboka ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Tsy mivadika mihitsy i Aleksandr, ka hita avy amin’izany hoe tahin’i Jehovah izay “falifaly sy ravoravo” manompo azy.​—Deoteronomia 28:47.

a Mbola notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Filatov tamin’ny nomanina ity lahatsoratra ity, ka tsy nisy fahafahana hiresaka taminy.