Hijery ny anatiny

Rahalahy Dmitriy Barmakin sy Yelena vadiny

1 NOVAMBRA 2021 | VAOVAO FARANY: 7 FEBROARY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Mbola Faly Foana ny Rahalahy Dmitriy Barmakin na Migadra Ela Be Aza

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Mbola Faly Foana ny Rahalahy Dmitriy Barmakin na Migadra Ela Be Aza

Nohamafisin’ny Fitsaram-paritr’i Primorié, any Vladivostok, ilay didim-pitsarana teo aloha momba ny Rahalahy Dmitriy Barmakin, tamin’ny 6 Febroary 2024. Mbola meloka higadra valo taona ihany izy. Tonga dia naiditra am-ponja izy vao vita ilay fitsarana.

Nampakarin’ny Rahalahy Dmitriy Barmakin fitsarana ambony kokoa ny raharaha mahakasika azy, dia neken’ny Fitsaram-paritr’i Primorié ilay fampakarana, tamin’ny 8 Aogositra 2023. Nofoanana ny didim-pitsarana navoaka momba azy, dia tonga izy dia nafahana avy tany am-ponja. Naverina any amin’ny mpampanoa lalàna anefa ilay raharaha, dia mbola hotsaraina fanintelony izy.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Pervorechenskiy, any Vladivostok, Faritanin’i Primorié, higadra valo taona ny Rahalahy Dmitriy, tamin’ny 27 Aprily 2023. Tonga dia naiditra am-ponja izy raha vao niala tao amin’ny fitsarana.

Nolazain’ny Fitsaram-paritr’i Primorié hoe meloka indray i Dmitriy tamin’ny 8 Aprily 2022, na dia efa nisy didy nivoaka aza teo aloha hoe tsy meloka izy. Haverina tsaraina indray àry izy.

Zava-nitranga

  1. Nofoanan’ny Fitsaram-paritr’i Pervorechenskiy, any Vladivostok, any amin’ny Faritanin’i Primorié ny fanamelohana rehetra natao tamin’ny Rahalahy Dmitriy, tamin’ny 22 Novambra 2021. Hitan’izy ireo hoe tsy nanan-tsiny izy. Sambany tamin’ity vao nisy fitsarana rosianina namoaka didim-pitsarana hoe tsy meloka ny Vavolombelon’i Jehovah nampangaina hoe nandika ny Andininy faha-282.2(1) amin’ny Fehezan-dalàn’i Rosia Momba ny Heloka Bevava (lalàna momba ny fandaminana ny zavatra ataon’ny fikambanana mampidi-doza). Tsy ho ferana intsony ny zavatra azon’i Dmitriy atao. Hihatra izany didim-pitsarana izany manomboka amin’ny 3 Desambra 2021 raha tsy mangataka ny hampakatra an’ilay izy ny biraon’ny mpampanoa lalàna

  2. 20 Aprily 2021

    Voampanga ho nanao heloka bevava indray i Dmitriy

  3. 18 Desambra 2020

    Naverina tany amin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha satria tsy nisy porofo mari-pototra ilay fiampangana. Mbola nitohy ihany anefa ilay sazy hoe noferana ny zavatra azony natao

  4. 18 Oktobra 2019

    Notanana am-ponja nandritra ny 447 andro i Dmitriy, dia avy eo nafahana saingy voafetra be ny zavatra ny azony natao. Nitarina im-polo ny fotoana nigadran’i Dmitriy

  5. 28 Jolay 2018

    Niditra an-keriny tao amin’ny trano nikarakaran’i Dmitriy sy Yelena ny bebeny, 90 taona, ny polisy maromaro mitam-piadiana sy misaron-tava tamin’ny 28 Jolay 2018, tamin’ny fito maraina. Nentin-dry zareo niverina tany amin’ny tanànany, tany Vladivostok, 177 kilaometatra niala teo i Dmitriy sy Yelena. Nosamborina i Dmitriy ary tonga dia notanana am-ponja vonjimaika

  6. 27 Jolay 2018

    Nampangaina ho nanao heloka bevava ny Rahalahy Dmitriy Barmakin

  7. Oktobra 2017

    Nisy madama 30 taona, mody niseho hoe liana tamin’ny fahamarinana nefa hay mpiasan’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenen’i Rosia (FSB). Nalainy video an-tsokosoko ny resaka nifanaovan’izy sy ny rahalahy sy anabavy sasany

Ilay voampanga

Tsy hay raha mety mbola ho tafasaraky ny fonja indray i Dmitriy sy Yelena. Na izany aza, dia manome modely tsara izy ireo satria “ny fifaliana avy amin’i Jehovah” no ataon’izy ireo “manda fiarovana.”​—Nehemia 8:10.