Hijery ny anatiny

Rahalahy Nikolay Saparov sy Nataliya vadiny (ankavanana), ary Anastasia zanak’izy ireo vavy (ankavia)

8 NOVAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 22 JANOARY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Vao Mainka Mahavita Miaritra Izy Satria Mivavaka sy Mamaky Baiboly Foana

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA ILAY RAHALAHY | Vao Mainka Mahavita Miaritra Izy Satria Mivavaka sy Mamaky Baiboly Foana

Nomelohin’ny Fitsaran’i Maykop, any amin’ny Repoblikan’i Adygeya, ny Rahalahy Nikolay Saparov tamin’ny 17 Janoary 2024. Voasazy higadra enin-taona izy. Efa notanana am-ponja vonjimaika izy nanomboka tamin’ny Martsa 2022, ary mbola hijanona any.

Zava-nitranga

  1. 22 Martsa 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 23 Martsa 2022

    Nosamborina i Nikolay tamin’izy tany amin’ny seranam-piaramanidina niaraka tamin’ny vady aman-janany. Nadinadinin’ny manam-pahefana izy, dia avy eo nampangaina hoe mandamina ny asan’ny fikambanana mampidi-doza. Nalefa tany amin’ny toby fitanana tsy maharitra izy. Nosavana ny tranony tatỳ aoriana

  3. 24 Martsa 2022

    Nafindra tany amin’ny fonja vonjimaika i Nikolay

  4. 19 Mey 2022

    Nanomboka ny fitsarana

Ilay voampanga

Mampahatsiahy antsika ny tantaran-dry Saparov hoe mihaino foana i Jehovah rehefa ‘miantso vonjy’ ny mpanompony tsy mivadika.​—Salamo 119:147.

a Voatana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Saparov tamin’ny fotoana nanomanana an’ity lahatsoratra ity, ka tsy afaka niresaka taminy izahay.