26 JANOARY 2022 | VAOVAO FARANY: 27 JONA 2023
ROSIA
VAOVAO FARANY: NOGADRAINA IREO RAHALAHY | Mahavita Miaritra Ireo Rahalahy any Tynda Noho Izy Ireo Manampy ny Hafa sy Matoky An’i Jehovah
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Tyndinski any Amour ny Rahalahy Vladimir Bukin, Mikhail Burkov, Valeriy Slashchev, ary Sergey Yuferov, tamin’ny 23 Jona 2023. Voasazy higadra enin-taona sy roa volana i Mikhail, fa i Vladimir sy Valeriy ary Sergey kosa enin-taona sy efa-bolana. Tonga dia nalefa tany am-ponja izy efatra mirahalahy.
Nilaza ny Fitsaram-paritr’i Amour tamin’ny 27 Desambra 2022, hoe tsy nanan-kery indray ny fanamelohana ny Rahalahy Vladimir, Mikhail, Valeriy ary Sergey. Naverina indray ny fitsarana azy ireo. Navoaka tany am-ponja ry zareo ary miandry an’ilay fitsarana manaraka. Na izany aza dia tsy afaka miala ny faritra misy azy izy ireo.
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Tyndinskiyi any Amour i Vladimir, Mikhail, Valeriy, ary Sergey, tamin’ny 25 Oktobra 2022. Enin-taona sy tapany an-tranomaizina no sazin’i Vladimir sy Valeriy ary Sergey. Enin-taona sy roa volana kosa ny an’i Mikhail. Tonga dia naiditra am-ponja izy efa-dahy raha vao niala teo amin’ny fitsarana.
Zava-nitranga
17 Novambra 2019
Tranona fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah valo no nataon’ny polisy savahao, ka anisan’izany ny tranon’ireo rahalahy efatra ireo
18 Novambra 2019
Nampangain’ny mpanao famotorana hoe mampidi-doza izy efatra mirahalahy. Tsy navela hiala an’ilay faritra misy azy koa izy ireo
26 Jolay 2021
Nanomboka ny fitsarana azy ireo
Ireo voampanga
Matoky isika fa ho ‘tia foana sy tsy hivadika mihitsy’ amin’ireo rahalahintsika ireo i Jehovah, ary hanao hoatr’izany amin’ny mpanompony tsy mivadika rehetra.—Genesisy 39:21.