Hijery ny anatiny

Ambony, avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Nikolay Martynov, Sergey Kosteyev, Yaroslav Kalin, ary Mikhail Moysh

Ambany, avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Igor Popov, Denis Sarazhakov, Aleksey Solnechniy, Andrey Tolmachev, ary Sergey Vasiliyev

27 DESAMBRA 2023 | VAOVAO FARANY: 6 MARTSA 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA IREO RAHALAHY | Tsy Kivy ny Rahalahintsika na dia Migadra Ela Be sy Ambenana any An-tranony Aza

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA IREO RAHALAHY | Tsy Kivy ny Rahalahintsika na dia Migadra Ela Be sy Ambenana any An-tranony Aza

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Oktyabrskiy any Irkoutsk ny Rahalahy Nikolay Martynov, Sergey Kosteyev, Yaroslav Kalin, Mikhail Moysh, Igor Popov, Denis Sarazhakov, Aleksey Solnechniy, Andrey Tolmachev, ary Sergey Vasiliyev, tamin’ny 5 Martsa 2024. Voaheloka higadra fito taona avy i Nikolay, Sergey Kosteyev, Yaroslav, Mikhail, Aleksey, ary Andrey. I Igor sy Denis kosa voaheloka higadra enin-taona sy efa-bolana avy. I Sergey Vasiliyev indray voaheloka higadra telo taona, dia tonga dia naiditra am-ponja izy rehefa vita ilay fitsarana. Ireo rahalahy hafa moa efa tany am-ponja talohan’ilay fitsarana, dia mijanona any ihany ry zareo.

Ireo voampanga

Tafasaraka amin’ny fianakaviany aloha izao ireo rahalahy malalantsika ireo. Na izany aza anefa dia matoky isika hoe tsy misy mampisaraka an-dry zareo amin’Andriamanitra ka hahatonga azy tsy ho tia an-dry zareo intsony, satria ry zareo miaritra sady tsy mivadika aminy.​—Romanina 8:35-39.

Zava-nitranga

  1. 4 Oktobra 2021

    Tranona Vavolombelon’i Jehovah maromaro no nosavana tany amin’ny Faritr’i Irkoutsk. Nampangaina hoe nanao heloka bevava i Nikolay, Sergey Kosteyev, Yaroslav, Mikhail, Aleksey, Andrey, ary Sergey Vasiliyev. Naiditra am-ponja izy fito lahy

  2. 5 Oktobra 2021

    Nafindra fonja i Yaroslav sy Mikhail ary Aleksey, dia tany no niandry ny fitsarana azy

  3. 6 Oktobra 2021

    Nafindra fonja i Sergey Kosteyev sy Nikolay ary Andrey, dia tany no niandry ny fitsarana azy. Nafahana avy tany am-ponja i Sergey Vasiliyev, dia lasa nambenana tany an-tranony

  4. 30 Novambra 2021

    Nisy trano hafa koa nosavana. Nosamborina i Denis sy Igor, dia nentina tany Irkoutsk, any amin’ny 1 500 kilaometatra miala any amin-dry zareo

  5. 1 Desambra 2021

    Naiditra am-ponja i Igor dia tany no niandry ny fitsarana azy

  6. 2 Desambra 2021

    Naiditra am-ponja i Denis dia tany no niandry ny fitsarana azy

  7. 29 Desambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana

a b c d e f Tany am-ponja niandry ny fitsarana azy ny Rahalahy Martynov, Kalin, Moysh, Popov, Sarazhakov, ary Solnechniy, dia tsy azo natao ny nanadinadina an-dry zareo.