27 OKTOBRA 2021
ROSIA
VAOVAO FARANY: NOLAVINA ILAY FANGATAHANA | “I Jehovah no Lasa Mpiaro Ahy”
Nolavin’ny Fitsarana any amin’ny Faritanin’i Primorye ny fangatahan’ny Anabavy Liya Maltseva tamin’ny 1 Novambra 2022, rehefa nampakatra fitsarana izy. Tsy migadra anefa izy amin’izao.
Nomelohin’ny Fitsaran’i Partizansk any amin’ny Faritanin’i Primorye i Liya tamin’ny 20 Septambra 2022. Nomena sazy mihantona roa taona sy telo volana izy.
Zava-nitranga
22 Jona 2021
Nanomboka notsaraina i Liya satria hoe mpanao heloka bevava
18 Aogositra 2020
Nisava ny tranon’i Liya ny FSB, polisy miafina any Rosia. Nalain’izy ireo daholo ny Baiboly rehetra tao aminy, sy ny boky maromaro, ary ny telefaoniny. Nentina tany amin’ny Sampan-draharaha Mpanao Famotorana izy avy eo mba hadinadinina
9 Jolay 2020
Nampidirin’ny Sampan-draharaha Mpanara-maso ny Vola any Rosia ao anatin’ny lisitry ny olona mpampihorohoro sy “mampidi-doza” i Liya
1 Jona 2020
Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Liya, araka ny Lalàn’ny Federasionan’i Rosia Momba ny Heloka Bevava. Voampanga izy satria, hono, nandray anjara tamin’ny asa nataon’ny fikambanana ara-pivavahana voarara
Ilay voampanga
Mampahery antsika ny modely tsara omen’i Liya sy ny fiaretany. Matoky tanteraka isika fa mbola hitahy azy foana i Jehovah satria tsy mivadika aminy izy.—1 Samoela 26:23.