Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksey Smelov

3 FEBROARY 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOLAVINA NY FAMPAKARANA FITSARANA | Ampian’i Jehovah Hiaritra ny Rahalahy Aleksey Smelov

VAOVAO FARANY: NOLAVINA NY FAMPAKARANA FITSARANA | Ampian’i Jehovah Hiaritra ny Rahalahy Aleksey Smelov

Nolavin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny Repoblikan’i Carélie ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Aleksey Smelov, tamin’ny 27 Septambra 2022. Tsy maintsy mandoa an’ilay lamandy àry izy.

Nomelohin’ny fitsaran’i Kondopoga any amin’ny Repoblikan’i Carélie i Aleksey, ary voasazy handoa lamandy 400 000 roubles (28 tapitrisa ariary eo ho eo).

Zava-nitranga

  1. 23 Jolay 2019

    Nampangain’ny manam-pahefana ho mpanao heloka bevava i Aleksey, satria, hono, izy lohandohany ao amin’ny fikambanana ara-pivavahana iray raran’ny fanjakana sady anisan’ny mandamina ny fivoriana sy ny “fampielezan-kevitra” ataon’izy io

  2. 31 Jolay 2019

    Nanao bemidina tany amin’ny trano sy toeram-piasan’ny Vavolombelon’i Jehovah 15 tany Kondopoga sy Petrozavodsk ny polisin’ny FSB. Nisy polisy mody nanao hoe mpikarakara fantson-drano niditra tao an-tranon-dry Smelov ary nanomboka nisavasava tao. Nentina tany amin’ny biraon’ny FSB teo an-toerana i Aleksey sy Irina, vadiny, mba halaina am-bavany. Nentina tany amin’ny foiben’ny FSB any Petrozavodsk i Aleksey avy eo. Nafahana izy tamin’ny 11:30 alina tany ho any, ary notenenina hoe tsy mahazo miala an’ilay faritra misy azy

  3. 7 Aogositra 2019

    Nolazain’ny manam-pahefana hoe meloka i Aleksey, araka ny Andininy faha-282.2(1) ao amin’ny Lalàn’ny Federasionan’i Rosia Momba ny Heloka Bevava

  4. 9 Aprily 2020

    Najanona kely ny fanadihadiana noho ny valanaretina COVID-19

  5. 8 Jona 2020

    Nitohy indray ny fanadihadiana

Ilay voampanga

Matoky hoatran’i Aleksey isika hoe “hampiasa ny heriny” foana i Jehovah “mba hanampiana” an’izay rehetra tratran’ny fanenjehana.​—2 Tantara 16:9.