Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Nikolayev sy Yevgeniya vadiny

30 DESAMBRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOLAVINA NY FAMPAKARANA FITSARANA | Matoky An’i Jehovah i Nikolayev dia Tony Be

VAOVAO FARANY: NOLAVINA NY FAMPAKARANA FITSARANA | Matoky An’i Jehovah i Nikolayev dia Tony Be

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Krasnodar ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Aleksandr Nikolayev, tamin’ny 20 Oktobra 2022. Mbola migadra izy izao.

Zava-nitranga

  1. 23 Desambra 2021

    Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Abinskiy, any amin’ny Faritr’i Krasnodar, i Aleksandr ary voaheloka higadra roa taona sy enim-bolana

  2. 30 Septambra 2021

    Notanana vonjy maika any am-ponja

  3. 4 Aogositra 2021

    Nanomboka ny fitsarana

  4. 26 Mey 2021

    Nampangaina satria hoe miresaka momba ny Baiboly amin’ny fianakaviana sy ny namana. Nilaza ny mpanao famotorana fa “heloka bevava” izany satria, hono, manohintohina ny “fandriampahalemana sy filaminana eo amin’ny firenena”, izay arovan’ny Lalàm-panorenana

  5. 7 Aprily 2021

    Nisava ny tranon-dry Nikolayev ny polisin’ny FSB sy ny polisy mpandamina mpirotaka, tamin’ny 6 ora maraina. Nentina natao famotorana i Aleksandr ary navotsotra avy eo

  6. 31 Martsa 2021

    Voampanga ho mpanao heloka bevava i Aleksandr

Ilay voampanga

Matoky isika hoe hotahin’i Jehovah i Aleksandr sy ireo rahalahy sy anabavy tsy mivadika any Rosia sy Crimée satria matoky azy sy miantehitra aminy.​—Jeremia 17:7.