18 MARTSA 2021
ROSIA
VAOVAO FARANY: NOLAVINA NY FAMPAKARANA FITSARANA | Mety Higadra Roa Ambin’ny Folo Taona Noho ny Finoany ny Rahalahy Roa any Amin’ny Faritra Atsinanan’i Rosia
Nampakatra fitsarana fanindroany ny Rahalahy Yuriy Belosludtsev sy Sergey Sergeyev, nefa nolavin’ny fitsarana ambony ambaratonga fahasivy izany, tamin’ny 18 Oktobra 2022. Mbola tsy migadra aloha ry zareo amin’izao.
Nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritanin’i Primorye ny fampakarana fitsarana nataon’i Yuriy sy Sergey, tamin’ny 21 Aprily 2022.
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Pozharskiy any amin’ny Faritanin’i Primorye i Yuriy sy Sergey, tamin’ny 31 Janoary 2022. Samy nahazo sazy mihantona enin-taona izy mirahalahy.
Ireo voampanga
Yuriy Belosludtsev
Teraka: 1964 (Smidovich, Faritra Mahaleo Tena Jiosy)
Mombamomba azy: Notezain’ny bebeny tany amin’ny tanàna kely iray. Injeniera tao amin’ny orinasa mpamokatra herinaratra no asany. Tia manjono sy mikorisa amin’ny ranomandry
Nanambady an’i Yelena, tamin’ny 1985. Nampiaiky azy mivady ny fampanantenan’Andriamanitra hoe hanala ny zava-dratsy sy ny fijaliana. Nahagaga be an-dry zareo koa ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly. Ireo fahamarinana ireo no nahatonga azy ireo hanaiky hianatra Baiboly. Natao batisa tamin’ny 1994
Sergey Sergeyev
Teraka: 1955 (Dukhovnitskoye, Faritanin’i Saratov)
Mombamomba azy: Niasa tamin’ny toeram-pitrandrahana arintany ary efa misotro ronono. Nanambady an’i Nelly, tamin’ny 1991. Manan-janaka roa vavy sy lahitokana. Samy tia alika izy mivady
Nanomboka nianatra Baiboly ry zareo, raha vao nivady kelikely. Nampiaiky azy ireo ilay hoe tena marina ny faminanian’ny Baiboly ary azo ampiharina tsara ny torohevitra ao. Natao batisa tamin’ny 1996
Mombamomba an’ilay raharaha
Nanao bemidina tany amin’ny tranona Vavolombelon’i Jehovah maromaro any Luchegorsk, any amin’ny Faritanin’i Primorye, ny polisy avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), tamin’ny 17 Martsa 2019. Natao famotorana ny rahalahy sy anabavy, ary naharitra adiny fito mihitsy aza ny an’ny sasany. Notazonin’izy ireo i Yuriy sy Sergey.
Nalefa tany am-ponja vonjimaika izy roa lahy, roa andro taorian’izay, ary nijanona tany enim-bolana mahery. Nafahana ry zareo tamin’ny Septambra 2019, ary nambenana tao an-trano efa ho dimy volana.
Samy niaiky izy mirahalahy hoe ny vavaka no tena nanampy be azy ireo hiaritra ny fiainana tany am-ponja. Nilaza i Sergey hoe nanampy azy hanana toe-tsaina tsara foana koa ny Baiboly. Hoy izy: “Tadidiko ilay tenin’i Jesosy hoe: ‘Raha nanenjika ahy izy, dia hanenjika anareo koa.’ (Jaona 15:20) Hozy aho hoe: ‘Hay ve ny zavatra mahazo antsika amin’izao efa nahazo an’i Jesosy Kristy sy ny mpianany ary ny apostoly hafa e! Angamba aho tian’i Jehovah hitory eto koa.’ Nanatanjaka ahy sady nanampy ahy ho tony sy ho falifaly ny nieritreritra zavatra hoatr’izany, dia teo koa ny valin’ny vavaka nataoko tamin’i Jehovah.”
Nitantara i Yuriy hoe tsy mora taminy taloha ny namaky ny Baiboly isan’andro, dia nisy rahalahy iray nanampy azy. Tena nahasoa azy io fahazarana io rehefa tany am-ponja izy. Hoy izy: “Niverina tao an-tsaiko ireo ohatra ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny boky sy gazety efa nianarako taloha. Izany no nanatanjaka ahy sy nahatonga ahy ho faly foana. Nanampy ahy tsy hanahy be loatra koa izany.”
Mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavy any Rosia isika, ary matoky hoe ho “fialofana sy hery” ho azy ireo ao anaty “fotoan-tsarotra” foana i Jehovah.—Salamo 46:1.