Hijery ny anatiny

Ranabavy Lyudmila Shchekoldina

4 MARTSA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOLAVINA NY FAMPAKARANA FITSARANA | Nampahery ny Anabavy Lyudmila Shchekoldina ny Teny Nataon’ny Hafa

VAOVAO FARANY: NOLAVINA NY FAMPAKARANA FITSARANA | Nampahery ny Anabavy Lyudmila Shchekoldina ny Teny Nataon’ny Hafa

Nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritanin’i Krasnodar ny fampakarana fitsarana nataon’ny Ranabavy Lyudmila Shchekoldina, tamin’ny 6 Oktobra 2022. Mbola migadra àry izy.

Namoaka didy momba ny Anabavy Lyudmila Shchekoldina ny Fitsaram-paritr’i Pavlovskiy, any amin’ny Faritr’i Krasnodar, tamin’ny 23 Mey 2022. Nilaza ny fitsarana fa meloka izy ary voasazy higadra efa-taona sy iray volana. Tonga dia mihatra io saziny io.

Zava-nitranga

  1. 23 Aprily 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy satria niresaka momba ny Baiboly tamin’ny lehilahy iray. Tsy fantany hoe hay polisy miafina ilay lehilahy

  2. 29 Aprily 2020

    Nataon’ny polisy savahao nandritra ny adiny sivy ny tranon’i Lyudmila ary nofotopotoran-dry zareo izy. Nampangain’ny manam-pahefana izy hoe mampiroborobo ny asa ataon’ny fikambanana anankiray mampidi-doza

  3. 21 Jona 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Matoky isika hoe hahery foana i Lyudmila sy ny mpiara-manompo tsy mivadika rehetra, na dia miatrika fitsapana aza, satria manampy azy ireo i Jehovah.​—Salamo 68:28.