Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Aleksandr Prianikov sy Ranabavy Venera Dulova ary Ranabavy Darya Dulova

27 JANOARY 2020 | VAOVAO FARANY: 9 FEBROARY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOLAVINA NY FAMPAKARANA FITSARANA | Nomelohin’ny Fitsarana any Rosia ny Rahalahy Aleksandr Prianikov sy ny Ranabavy Venera Dulova ary ny Ranabavy Darya Dulova

VAOVAO FARANY: NOLAVINA NY FAMPAKARANA FITSARANA | Nomelohin’ny Fitsarana any Rosia ny Rahalahy Aleksandr Prianikov sy ny Ranabavy Venera Dulova ary ny Ranabavy Darya Dulova

Tamin’ny 8 Febroary 2024, dia nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Sverdlovsk ny fampakarana fitsarana nangatahan’ny Rahalahy Aleksandr Prianikov sy ny Ranabavy Venera Dulova. Hihatra amin’izay ny sazy mihantona nomena an-dry zareo, fa mbola tsy naiditra am-ponja aloha ry zareo izao. Nofoanana kosa ilay fiampangana ny Ranabavy Darya Dulova satria mbola tsy ampy 18 taona izy tamin’ny fotoana nitrangan’ilay zavatra niampangana azy sady efa tapitra ny fotoana ahafahana mitory azy eny amin’ny fitsarana noho izy tsy ampy taona.

Tamin’ny 14 Martsa 2023, dia novan’ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia ilay fanapahan-kevitra hoe hafahana madiodio ny Rahalahy Aleksandr Prianikov sy ny Ranabavy Venera Dulova ary ny Ranabavy Darya Dulova. Hampakarina fitsarana indray izao ny raharaha mahakasika azy ireo.

Tamin’ny 15 Martsa 2022, dia nofoanan’ny fitsarana any Sverdlovsk ny didim-pitsarana manameloka ny Rahalahy Aleksandr Prianikov sy ny Ranabavy Venera Dulova ary ny Ranabavy Darya Dulova, izay zanak’i Venera. Mety ho voaheloka ihany anefa izy telo ireo noho ny raharaham-pitsarana hafa.

Nanameloka an’i Aleksandr sy Venera ary Darya ny fitsarana tany Karpinsk tamin’ny 27 Janoary 2020. Nomena sazy mihantona izy ireo, ka ny an’i Aleksandr roa taona sy tapany, ny an’i Venera roa taona, ary ny an’i Darya herintaona. Tsy migadra izy ireo mandritra an’izay fotoana izay fa arahi-maso. Hampiakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa izy ireo.