Hijery ny anatiny

Rahalahy Viktor Shayapov

10 AOGOSITRA 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOMELOHINA ILAY RAHALAHY | Nahavita Niaritra sy Falifaly i Viktor Shayapov Satria Nahay Nankasitraka

VAOVAO FARANY: NOMELOHINA ILAY RAHALAHY | Nahavita Niaritra sy Falifaly i Viktor Shayapov Satria Nahay Nankasitraka

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Nikolskiy, any amin’ny Faritanin’i Penza, ny Rahalahy Viktor Shayapov, tamin’ny 7 Novambra 2022. Sazy mihantona roa taona no azony. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.

Zava-nitranga

  1. 19 Aogositra 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava, satria hoe nandray anjara tamin’ny asa mampidi-doza, hono

  2. 5 Febroary 2022

    Nosamborin’ny polisy. Nanaovana bemidina sy nosavana ny tranony tamin’iny andro iny. Notazonina dia nentina tany Penza, 740 kilaometatra miala ny tranony

  3. 6 Febroary 2022

    Nalefa tany amin’ny toby fitanana vonjimaika

  4. 8 Febroary 2022

    Navoaka tany amin’ny toby fitanana dia nambenana an-trano

  5. 28 Martsa 2022

    Nanomboka ny fitsarana

Ilay voampanga

Faly isika satria tia sy tsara fanahy amintsika i Jehovah, dia manome antsika fiadanana mba hiambina ny fontsika sy ny saintsika rehefa miatrika fitsapana isika.​—Filipianina 4:7.