Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana, ambony: Rahalahy Yuriy Geraskov, Maksim Khalturin, Vladimir Korobeynikov, ary Andrzej Oniszczuk. Ambany: Rahalahy Andrey Suvorkov sy Yevgeniy Suvorkov ary Vladimir Vasilyev

22 APRILY 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Nahavita Niaritra Ry Zareo na dia Notanana Am-ponja Amam-bolana sy Nambenana An-trano aza, Satria Nivavaka sy Nianatra ary Nahazo Fampaherezana

VAOVAO FARANY | Nahavita Niaritra Ry Zareo na dia Notanana Am-ponja Amam-bolana sy Nambenana An-trano aza, Satria Nivavaka sy Nianatra ary Nahazo Fampaherezana

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Pervomayskiy, any Kirov, ny Rahalahy Maksim Khalturin, Vladimir Korobeynikov, Andrzej Oniszczuk, Andrey Suvorkov, Yevgeniy Suvorkov, ary Vladimir Vasilyev, tamin’ny 3 Jona 2022. Nahazo sazy mihantona roa taona sy tapany ka hatramin’ny enin-taona sy tapany ireo rahalahy ireo. Tsy voatery migadra ry zareo amin’izao. Mbola nolazain’ilay fitsarana hoe meloka ihany ny Rahalahy Yuriy Geraskov na dia nodimandry talohan’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana aza.

Ireo voampanga

Yuriy Geraskov

  • Teraka: 1956 (tany Azerbaïdjan)

  • Maty: 24 Aprily 2020

  • Mombamomba azy: Tia nilalao baolina kitra sy naka sary. Mpanao orkesitra. Nifindra tany Rosia tamin’ny 1993, satria nisy olana ara-politika tany Azerbaïdjan. Nanambady an’i Alevtina tamin’ny 2011. Lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’io taona io ihany. Tia nandehandeha an-tongotra sy nitsidika namana izy mivady

Maksim Khalturin

  • Teraka: 1974 (tany Kirov, Faritr’i Kirov)

  • Mombamomba azy: Efa hatramin’ny mbola kely izy no tia namaky boky. Tamin’ny 1993 no nanomboka liana tamin’ny Baiboly. Natao batisa dia lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1995. Mikarakara ny ray aman-dreniny be taona. Manohana ny fivavahan-dry zareo ireo ray aman-dreniny ireo na dia tsy mitovy fivavahana aminy aza

Vladimir Korobeynikov

  • Teraka: 1952 (tany amin’ny Nosy Dikson, Faritanin’i Krasnoïarsk)

  • Mombamomba azy: Mpahay siansa ny dadany, ary nianatra momba ny Oseana Arktika. Tia manamboatra aotomobilina kely na raoplanina kely na hoatr’izany i Vladimir, tamin’izy mbola kely. Mpikarakara fantson-drano sy mpanamboatra milina no asany taloha. Efa misotro ronono izy izao ary tia manjono

    Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy Olga vadiny, tamin’ny 1990 tany ho any. Ny faminanian’ny Baiboly no tena nahavariana azy. Natao batisa tamin’ny 1996. Manan-janaka lahitokana sy vavitokana efa lehibe ry zareo. Tena nanampy an’izy mianakavy ho sambatra ny toro lalan’ny Baiboly

Andrzej Oniszczuk

  • Teraka: 1968 (tany Białystok, Polonina)

  • Mombamomba azy: Tia nilalao baolina kitra sy nibata fonjam-by izy tamin’izy mbola tanora. Natao batisa tamin’ny 1990. Nifindra tany Kirov tamin’ny 1997. Tena tia namaky boky rosianina. Nanambady an’i Anna tamin’ny 2002. Tia mivoaka mandehandeha sy mitady holatra maniry. Tia milalao baolina kitra koa

Andrey Suvorkov

  • Teraka: 1993 (tany Kirov, Faritr’i Kirov)

  • Mombamomba azy: Ny mamany no nampianatra azy ny fahamarinana tamin’izy mbola kely. Tia nianatra siansa koa izy tamin’ny mbola kely, dia tia nanao fanatanjahan-tena, indrindra fa nilalao voley. Natao batisa dia lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2007. Naleony niasa tamin’ny foibe fanampiana olona andevozin’ny zava-madomelina toy izay nanao miaramila. Nanambady an’i Svetlana tamin’ny 2016. Tia manao fanatanjahan-tena ry zareo

Yevgeniy Suvorkov

  • Teraka: 1978 (tany Kuyony, Faritr’i Kirov)

  • Mombamomba azy: Tia nanao échecs sy hockey ary nihaino mozika tamin’ny mbola kely. Elektrisianina no asany. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izy 16 taona. Natao batisa tamin’ny 1995. Nangataka hanao asa hafa ho solona raharaha miaramila izy tamin’izy 18 taona. Efa in’enina izy no nangataka, izay vao navela hanao asa hafa. Nanambady an’i Svetlana tamin’ny 2000 dia nanampy azy hitaiza an’i Andrey, (voaresaka etsy aloha) zanakalahin’i Svetlana

Vladimir Vasilyev

  • Teraka: 1956 (tany Perm)

  • Mombamomba azy: Tia nilalao baolina kitra tamin’izy mbola kely. Mpikarakara fantson-drano sy mpamily no asany taloha. Efa misotro ronono izy izao. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy Nadezhda vadiny, tamin’ny 1990 tany ho any. Natao batisa tamin’ny 1994

Mombamomba an’ilay raharaha

Nosavain’ny manam-pahefana ny tranona Vavolombelon’i Jehovah 14 tany Kirov, tamin’ny 9 Oktobra 2018. Nosamborina àry ny Rahalahy Maksim Khalturin, Vladimir Korobeynikov, Andrzej Oniszczuk, Andrey Suvorkov, ary Yevgeniy Suvorkov. Nalefa tany am-ponja fitanana vonjimaika ry zareo avy eo. Nomelohina koa ny Rahalahy Vladimir Vasilyev sy Yuriy Geraskov tamin’ny Janoary sy Jolay 2019.

Notazonin’ny polisy roa volana mahery i Vladimir Korobeynikov. Nafahana izy avy eo mba hahafahany mikarakara ny vadiny marary sy ny zanany vavy, fa mbola nambenana tao an-trano. I Maksim sy Andrey indray notanan’ny polisy tany am-ponja vonjimaika nandritra ny telo volana mahery. I Yevgeniy notanan’ny polisy dimy volana teo ho eo. I Andrzej indray notanan’ny polisy 327 andro. Maromaro tamin’ireo rahalahy ireo no lasa nambenana tao an-trano. Efa nafahana ry zareo saingy mbola tsy mahazo miala ny faritra misy azy.

Tena mafy tamin’ireo rahalahy ireo ilay nisaraka tamin’ny fianakaviany, rehefa notazonin’ny polisy ry zareo. Natoky an’i Jehovah anefa ry zareo hoe hokarakarain’i Jehovah ny olona tian-dry zareo.

Kilemaina, ohatra, i Olga vadin’i Vladimir Korobeynikov. Hoy i Vladimir Korobeynikov: “Ilay izaho namela irery an’ilay vadiko tao an-trano no mafy indrindra tamiko satria tsy afaka manao na inona na inona izy.” Nilaza koa izy hoe nalain’ny polisy ny telefaonin’ilay vadiny rehefa nosavaina ny tranon-dry zareo. Nanahy momba an’izany foana àry Vladimir. Lasa tony anefa izy rehefa naharay taratasy anankiray tany amin’ny iray tamin’ny anabaviny kristianina, nanome toky azy hoe efa karakarain’ny mpiara-manompo ny vadiny. Vao mainka izy falifaly rehefa naharay taratasy avy tany amin’i Olga nilaza hoe salama tsara izy.

Nanampy trotraka ny olana efa nahazo an-dry zareo ilay ry zareo tsy avela miala ny faritra misy azy, sy nampangaina hoe “mampidi-doza.” Lasa sahirana be, ohatra, ireo rahalahy ireo vao mahita asa raikitra. Tsy afaka maka vola any amin’ny kaontin’ny bankiny koa ry zareo.

Hoy anefa i Yevgeniy: “Omen’i Jehovah mihoatra lavitra noho izay ilainay izahay. Tsy ory na inona na inona mihitsy izahay, hoatran’ny Israelita tamin-dry zareo tany an-tany efitra. Tena tsapanay hoe hay hoatran’izany ny fianakavian’i Jehovah rehefa mifanampy. Nahazo ny zavatra nilainay andavanandro izahay dia nahazo fampaherezana. Nampian-dry zareo koa izahay mba ho akaiky an’i Jehovah foana.”

Nilaza ireo rahalahy ireo hoe ny vavaka sy ny fianarana samirery ary ny famakiana Baiboly no tena nanampy azy tsy hivadika sy tsy hatahotahotra. Nilaza, ohatra, i Vladimir Vasilyev hoe: “Lasa azonay tamin’ny zavatra lazain’ny Baiboly hoe voafehin’i Jehovah ny zava-drehetra. Nihanatanjaka àry ny finoanay, dia mazava ho azy fa lasa vao mainka natoky an’Andriamanitra izahay.”

Nampisy olana be dia be tamin’ireo rahalahintsika ireo sy ny fianakaviany ny fiampangana an-dry zareo. Fantatsika anefa hoe mbola hatoky an’i Jehovah foana ry zareo. Mbola hiaritra foana koa ry zareo satria hainy hoe tsy maharitra ny zava-dratsy “azon’ny olona atao” aminy.—Salamo 56:4.