Hijery ny anatiny

Ambony (ankavia miankavanana): Rahalahy Denis Antonov, Aleksandr Shevchuk, Aleksandr Korolev

Ambany (ankavia miankavanana): Rahalahy Vladimir Atryakhin, Rahalahy Georgiy Nikulin sy Yelena vadiny

16 DESAMBRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Nanampy Rahalahy Dimy sy Anabavy Iray Hiaritra Fanenjehana ny Famakiana Baiboly Isan’andro

VAOVAO FARANY | Nanampy Rahalahy Dimy sy Anabavy Iray Hiaritra Fanenjehana ny Famakiana Baiboly Isan’andro

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninski any Saransk ny Rahalahy Denis Antonov, Vladimir Atryakhin, Aleksandr Korolev, Georgiy Nikulin, sy ny Ranabavy Yelena Nikulina, ary ny Rahalahy Aleksandr Shevchuk, tamin’ny 25 Aogositra 2022. Voaheloka higadra roa taona avy i Denis sy Aleksandr Korolev ary Aleksandr Shevchuk. Voaheloka higadra efa-taona sy roa volana i Georgiy sy Yelena, ary enin-taona kosa i Vladimir. Mihatra avy hatrany ny sazin’izy ireo.

Zava-nitranga

  1. 11 Jona 2021

    Nanomboka ny fitsarana voalohany tao amin’ny Fitsaram-paritr’i Leninski any Saransk

  2. 2 Aprily 2021

    Nampangaina ho nandray anjara sy nitaona olona handray anjara tamin’ny asa ataon’ny fikambanana mampidi-doza i Yelena

  3. 31 Martsa 2021

    Nampangaina ho nandamina asa ataon’ny fikambanana mampidi-doza i Vladimir

  4. 2 Jolay 2019

    Nafahana i Aleksandr Shevchuk sy Georgiy rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika ary tsy navela hivoaka ny faritra misy azy

  5. 28 Martsa 2019

    Nafahana i Vladimir rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika ary tsy navela hivoaka ny faritra misy azy

  6. 8 Febroary 2019

    Notanana am-ponja vonjimaika i Aleksandr Shevchuk sy Vladimir ary Georgiy

  7. 4 Febroary 2019

    Nampangain’ny FSB ho mpanao heloka bevava ireo rahalahy dimy sy Yelena satria hoe nandamina asa ataon’ny fikambanana mampidi-doza

Ireo voampanga

Matoky isika fa ho tia sy tsy hivadika amin’ny rahalahy sy anabavintsika miaritra fanenjehana any Rosia i Jehovah sady hitana ny teniny amin-dry zareo foana, satria ry zareo matoky azy foana.​—Genesisy 32:10.