Hijery ny anatiny

Rahalahy Andrey Ledyaykin

18 NOVAMBRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Nanampy ny Rahalahy Andrey Ledyaykin Hahery Foana ny Ninamana Tamin’i Jehovah sy ny Mpiara-manompo

VAOVAO FARANY | Nanampy ny Rahalahy Andrey Ledyaykin Hahery Foana ny Ninamana Tamin’i Jehovah sy ny Mpiara-manompo

Nomelohin’ny fitsaran’i Seversk, any amin’ny faritr’i Tomsk, ny Rahalahy Andrey Ledyaykin tamin’ny 26 Aprily 2022, ary voaheloka higadra mandritra ny 26 volana. Naiditra am-ponja avy hatrany izy.

Zava-nitranga

  1. 12 Jolay 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

  2. 30 Martsa 2021

    Nampangaina ho anatin’ny fikambanana iray mampidi-doza

  3. 29 Martsa 2021

    Voafetra ny toerana azony naleha

  4. 25 Martsa 2021

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Andrey. Voaroaka tamin’ny asany izy vokatr’izany

  5. 14 Jolay 2020

    Nosamborin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) sy polisy anankiroa tany am-piasanany i Andrey. Nosavan-dry zareo nandritra ny 12 ora ny tranony avy eo

  6. Martsa-Aprily 2020

    Mody liana tamin’ny Baiboly ny vehivavy iray, polisin’ny FSB, dia nalainy video an-tsokosoko ny resak’izy sy Andrey ary ny rahalahy sy anabavy hafa

Ilay voampanga

Mampahery antsika ny mahita hoe voakarakara tamin’ny ‘fomba miavaka’ foana i Andrey, na dia niatrika fotoan-tsarotra aza.​—Salamo 4:3.