Hijery ny anatiny

Rahalahy Kirill Yevstigneev

13 JANOARY 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY | Natoky An’i Jehovah ny Rahalahy Yevstigneev dia Nahavita Tsy Nivadika

VAOVAO FARANY | Natoky An’i Jehovah ny Rahalahy Yevstigneev dia Nahavita Tsy Nivadika

Nolavin’ny fitsarana any amin’ny Faritanin’i Nijni Novgorod ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Kirill Yevstigneev, tamin’ny 1 Aogositra 2022. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Nijni Novgorod i Kirill, tamin’ny 12 Mey 2022, ary nomeny sazy mihantona telo taona.

Zava-nitranga

  1. 8 Oktobra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy. Nilaza tamin’ireo mpitsara i Kirill fa fiaraha-mikorana ilay fivoriana nalamina fa tsy fotoam-pivavahana

  2. 24 Aogositra 2021

    Tsy navela nanao dia lavitra i Kirill

  3. 2 Septambra 2020

    Nampangaina i Kirill hoe “manohana ara-bola fikambanana mampidi-doza”, satria izy no tompon’andraikitra nanofa an’ilay efitra fanaovana fivoriana hanaovana an’ilay fiaraha-mikorana

  4. 11 Jolay 2019

    I Kirill no tena nifantohan’ny manam-pahefana satria izy no nanao sonia an’ilay fifanekena hanofa an’ilay efitra fanaovana fivoriana; natao savahao ny tranony

  5. 4 Jona 2019

    Nanomboka nanadihady olon-kafa ny manam-pahefana, vokatr’ilay fivoriana. Tsy nampahafantarin’izy ireo anefa hoe iza ireo olona ireo

  6. Aprily 2019

    Nanofa efitra fanaovana fivoriana i Kirill sy ny Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy tany Nijni Novgorod mba hanaovana fiaraha-mikorana

Ilay voampanga

Lasa feno toky isika rehefa mahita hoe be herim-po i Kirill sy ny vadiny, ary ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika izay enjehina any Rosia sy any Crimée.​—Filipianina 1:13, 14.