Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Aleksandr Akopov sy Konstantin Samsonov ary Shamil Sultanov

2 JONA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Niantehitra Tamin’i Jehovah ny Rahalahy Akopov sy Samsonov ary Sultanov Rehefa Notsaraina

VAOVAO FARANY | Niantehitra Tamin’i Jehovah ny Rahalahy Akopov sy Samsonov ary Sultanov Rehefa Notsaraina

Nampakatra fitsarana ny Rahalahy Aleksandr Akopov sy Konstantin Samsonov ary Shamil Sultanov, ary namoaka didy momba an’izany ny fitsarana any amin’ny Faritanin’i Stavropol tamin’ny 5 Aogositra 2022. Novana ho 250 000 roubles (17 000 000 ariary eo ho eo) ny lamandy asaina aloan’i Aleksandr sy Shamil, ary tsy maintsy aloa ilay izy. Nosoloana lamandy 400 000 roubles (27 000 000 ariary eo ho eo) ilay sazin’i Konstantin hoe migadra, ka tonga izy dia nafahana.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Neftekumskiy, any amin’ny Faritanin’i Stavropol, i Aleksandr sy Konstantin ary Shamil tamin’ny 19 Aprily 2022. Voasazy handoa lamandy 500 000 roubles (34 000 000 ariary eo ho eo) avy i Aleksandr sy Shamil. Efa notanana am-ponja vonjimaika anefa ry zareo, ka tsy mila mandoa an’io lamandy io intsony. I Konstantin kosa voaheloka higadra fito taona sy tapany, ary tonga dia naiditra am-ponja.

Ireo voampanga

Aleksandr Akopov

  • Teraka: 1992 (tany Neftekumsk)

  • Mombamomba azy: Manao fanorenana miaraka amin’ny dadany sy ny zokiny lahy no asany. Tia milalao baolina kitra sy baskety ary tenisy. Tia mijery zavaboary sy mahandro koa

    Natao batisa tamin’ny 2007 tamin’izy 14 taona, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah

Konstantin Samsonov

  • Teraka: 1977 (tany Neftekumsk)

  • Mombamomba azy: Tia nanao échecs izy, tamin’ny mbola tanora, dia liana tamin’ny resaka ordinatera. Injeniera mpikirakira programa any amin’ny hopitaly izao no asany. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy Svetlana vadiny tamin’ny 1998. Natao batisa ry zareo tamin’ny 2000. Manan-janaka lahitokana

Shamil Sultanov

  • Teraka: 1977 (tany Mahmud-Mekteb, Faritanin’i Stavropol)

  • Mombamomba azy: Mpikojakoja sy mpanamboatra trano simba. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fiandohan’ny taona 2000 tany ho any. Natao batisa tamin’ny 2003. Nanambady an’i Elena tamin’ny 2004. Efa nanambady i Elena taloha ary nanan-janakalahy. Nanampy an’i Elena nitaiza an’io zanany io izy

Mombamomba an’ilay raharaha

Nisy polisy maromaro nitana basy nanodidina Vavolombelon’i Jehovah 18, tamin’ny 26 Aogositra 2017, tamin’ireo Vavolombelona ireo nitsangantsangana teny amoron-drano tany akaikin’i Neftekumsk. Nisy ankizy sy olona efa be taona tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo nefa mbola nentina tamin’ny bisy hankany amin’ny paositry ny polisy daholo. Natao famotorana adiny telo ry zareo. Nisy rahalahy sy anabavy be dia be tao Neftekumsk avy eo narahin’ny polisy maso ary natao savahao ny tranony. Nosamborina i Aleksandr sy Konstantin ary Shamil, tatỳ aoriana, dia nampidirina am-ponja vonjimaika efa ho herintaona be izao.

Nilaza i Aleksandr fa natahotra ny hogadraina izy satria nanana aretina mitebiteby lava dia marary. Nitalaholaho be tamin’i Jehovah àry izy mba hanatanjaka ny fony sy ny sainy ka ho afaka hiatrika an’ilay hoe migadra. Hoy i Aleksandr: “Imbetsaka aho no niteny tamin’i Jehovah hoe tsy vitako intsony i Jehovah a! Efa ho herintaona anefa aho no nijanona tany. Tsy nampoiziko hoe nahavita niaritra an’izany aho!” Namaly ny vavaka nataony i Jehovah ka lasa nahatadidy andinin-teny maromaro izy na dia tsy nanana Baiboly aza. Nosoratany daholo izay andinin-teny tadidiny. Nijery andinin-teny iray isa-maraina izy avy eo dia nieritreritra hoe nahoana no manampy azy amin’ny zavatra iainany ilay andinin-teny. Lasa nitovy hevitra kokoa tamin’i Jehovah momba an’ilay nahazo azy izy avy eo.

Nampahery be an’i Konstantin koa ny taratasy be dia be nosoratan’ny vadiny ho azy. Tao amin’izay taratasy iray izay izao izy niteny tamin’i Konstantin hoe ataovy hoatran’ny zavatra miavaka indray mandeha tsy miverina, hono, izao zavatra iainany izao. Hoy koa i Konstantin: “Nahafinaritra be an’ahy izay teniny izay dia lasa tsy dia nampaninona be an’ahy intsony ny zavatra niainako.”

Nilaza i Shamil fa ny volana voalohandohany tao amin’ilay fonja vonjimaika no tena mafy. Hoy izy: “Zakako ihany ilay izy rehefa nandeha ny fotoana.” Hoy koa izy: “Izany no nahitako hoe tsy hoe nafoy aho.” Nianatra natoky an’i Jehovah izy tamin’ireny fotoana ireny, dia tsy nanahy be loatra ny amin’izay mety hitranga atỳ aoriana.

Voafetra ny toerana azon’ireo rahalahy telo ireo aleha, dia tsy avela mampiasa telefaonina sy Internet koa ry zareo. Lasa sahirana be àry i Aleksandr vao mahazo fitsaboana ilainy, dia i Konstantin indray tsy afaka miasa satria mpamorona programa amin’ny ordinatera ny asany. Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’Andriamanitra anefa ireo rahalahy ireo na dia eo aza izany.

Fantatsika hoe hitahy an’ireo rahalahintsika ireo i Jehovah raha mbola miantehitra aminy foana ry zareo.​—Salamo 20:7.