29 JANOARY 2021
ROSIA
VAOVAO FARANY | Nomelohina ny Rahalahy Roman Baranovskiy sy ny Anabavy Valentina Baranovskaya Reniny, any Rosia
Namoaka didy ny hanafahana an’i Valentina Baranovskaya, anabavy 71 taona, tany am-ponja ny fitsarana any Khakassie, tamin’ny 4 Mey 2022 rehefa nampakatra fitsarana izy. Nolavin’ilay fitsarana ny fitarainana nataon’ny mpampanoa lalàna. Mbola nitady fomba tsy hanafahana azy mantsy ilay mpampanoa lalàna. Herintaona mahery i Valentina no nigadra. Mbola migadra noho ny finoany izao i Roman zanany lahy.
Nampakatra fitsarana ny mpampanoa lalàna tamin’ny 4 Martsa 2022, rehefa namoaka didy hanafahana an’i Valentina ny Fitsaram-paritr’i Ust-Abakan. Nanizingizina ilay mpampanoa lalàna fa tsy tokony hafahana alohan’ny fotoana i Valentina, satria “mbola tsy nibebaka tamin’ny heloka bevava nataony” hono. Mbola mijanona any am-ponja i Valentina fara-fahaingany mandra-pihainoana ny fangatahana nataon’ilay mpampanoa lalàna.
Nolavin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny Repoblikan’i Khakassie, any Rosia, ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Roman Baranovskiy sy Valentina reniny, izay efa 70 taona. Mbola mijanona any am-ponja ry zareo. Nilaza koa ilay fitsarana fa mbola hisy zavatra hafa fanampiny tsy ho azon’izy ireo atao rehefa hafahana any am-ponja ry zareo any aoriana any.
Nomelohin’ny fitsarana any Abakan, any amin’ny Repoblikan’i Khakassie, i Roman, ka migadra enin-taona any am-ponja. Nomelohin’ilay fitsarana koa i Valentina, maman’i Roman, ka migadra roa taona any am-ponja. Izy no voalohany amin’ny anabavintsika nomelohina higadra noho ny finoany any Rosia. Handray 70 taona amin’ny Aprily 2021 i Valentina, ary tapaka lalan-dra izy tamin’ny Jolay 2020. Vao nivoaka ilay didim-pitsarana, dia tonga dia nentina tany am-ponja izy mianaka.
Ilay voampanga
Roman Baranovskiy
Teraka: 1974 (Balakovo, Faritr’i Saratov)
Mombamomba azy: Manavao trano no asany mba hiveloman’izy mianaka. Tia mitendry gitara sy manao échecs ary manao baolina kitra
Mbola vao folo taona mahery izy dia nieritreritra hoe inona no antony ivelomany. Hoy izy: “Indraindray aho nangataka tamin’Andriamanitra mba hanoro an’ahy ny tena tokony hataoko eo amin’ny fiainana.” Tamin’ny 1993 izy no nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao batisa tamin’ny 1997
Valentina Baranovskaya
Teraka: 1951 (Vannovka, any Kazakhstan)
Mombamomba azy: Mpanao kaonty sy mpanoro hevitra amin’ny resaka fitantanam-bola no asany hatramin’izy nisotro ronono tamin’ny 2006. Tia mahandro sy mamoron-kira ary manao tononkalo
Nanomboka tamin’ny 1995 izy no nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah niaraka tamin’ny zanany lahy. Anisan’ny tena nahavariana azy ilay hoe tsy mahay mandainga Andriamanitra. Natao batisa tamin’ny 1996
Mombamomba an’ilay raharaha
Nanao bemidina tany amin’ny trano efatra ny polisy any Abakan tamin’ny 10 Aprily 2019, ary anisan’izany ny tany an-tranon’ny Rahalahy Roman Baranovskiy sy Valentina mamany. Tonga alina ireo polisy ireo sady nitana basy. Nalain-dry zareo ny Baiboliny sy ny fitaovany elektronika ary ny taratasiny. Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Roman sy Valentina tamin’izay.
Hoy i Roman: “Nivory andavanandro izahay tamin-dry zareo nanao bemidina tao an-tranonay, ary vao avy nandinika ny 1 Korintianina 10:13. Nisy hevitra tsara be izay hitanay hoe tsy manendry fitsapana ho an’olona i Jehovah . . . Tsy mieritreritra izy hoe: ‘Ianao hoatran’ny matanjaka dia ity ny fitsapana mety aminao. Fa ianao indray malemilemy dia aleo ity moramora ity no iaretanao.’ Raha izany mantsy, dia hoatran’ny hoe miankina amin’ny herintsika no hahafahantsika miaritra fitsapana. Mety hitranga amintsika rehetra anefa ny karazana fitsapana rehetra, na iza isika na iza. Samy hahavita hiaritra daholo isika, raha miantehitra amin’ny hery omen’i Jehovah.”
Tapaka lalan-dra i Valentina, tamin’ny Jolay 2020. Hoy izy: “Vao mainka hitako hoe nanohana an’ahy i Jehovah rehefa niharatsy iny ny fahasalamako. Nivavaka foana mantsy aho dia hoatran’ny hoe notrotroiny. Nahatsapa nilamin-tsaina be mihitsy aho.”
Izao no nolazain’i Valentina rehefa niatrika an’ireny fitsapana ireny izy: “Tapa-kevitra aho hoe hanompo an’ilay Raintsika mandrakizay dia tsy hivadika aminy mihitsy, na inon-kidona na inon-kihatra.”
Nisy mpanompon’i Jehovah nahavita niaritra tantarain’ny Baiboly. Nilaza i Roman fa nisaintsaina an’ireny tantara ireny sy ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro izao izy, dia izany no nanatanjaka ny finoany. Izao foana no eritreretiny rehefa mandinika an’ireny tantara ireny izy: ‘Inona ny zavatra tsy maintsy niaretan-dry zareo, dia maninona ry zareo no niaritra an’izany? Inona no nanampy an-dry zareo tsy hivadika? Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny fanahiny mba hanampiana an-dry zareo?’ Ny valin’ireo fanontaniana ireo no vao mainka nanome toky an’i Roman hoe “ho vitan’i Jehovah ny hanome azy hery mihoatra noho ny an’ny olombelona, raha ilaina izany.”
Mivavaka isika mba hatoky an’i Jehovah foana i Roman sy Valentina ary ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Enga anie izy ireo hatoky hoe “fialofana sy hery” ho azy ireo i Jehovah.—Salamo 46:1.