Hijery ny anatiny

Rahalahy Vitaliy Ilinykh

10 MEY 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Ny Modelin’ny Hafa no Nahatonga ny Rahalahy Vitaliy Ilinykh ho Sahy

VAOVAO FARANY | Ny Modelin’ny Hafa no Nahatonga ny Rahalahy Vitaliy Ilinykh ho Sahy

Nolavin’ny Fitsaram-paritra any amin’ny Faritanin’i Primorye ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Vitaliy Ilinykh, tamin’ny 28 Jolay 2022. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Ussuriyskiy, any amin’ny Faritanin’i Primorye, i Vitaliy tamin’ny 15 Aprily 2022, ka nomeny sazy mihantona roa taona.

Ilay voampanga

Vitaliy Ilinykh

  • Teraka: 1974 (tany Ussuriysk, Faritanin’i Primorye)

  • Mombamomba azy: Nahazo diplaoma tany amin’ny sekoly fiofanana ho polisy, ary niasa tamin’ny Minisiteran’ny Atitany. Nanontany tena foana izy hoe maninona ny olona no maty dia manao ahoana ny olona rehefa maty. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1995 tany ho any. Natao batisa tamin’ny 1999. Mpanadio lalana izao no asany. Nanambady an’i Irina, tamin’ny 2006

Mombamomba an’ilay raharaha

Nosavana ny tranon’ny Rahalahy Vitaliy Ilinykh tamin’ny Febroary 2019, satria hoe voaroiroy nanao heloka bevava niaraka tamin’ny mpiara-manompo taminy any Spassk-Dalniy izy. Nanomboka nanadihady an’i Vitaliy ny manam-pahefana rosianina tamin’ny 18 Septambra 2019. Mbola nisava ny tranony indray ny polisy tamin’ny 23 Oktobra 2019, fa tamin’ity izy nosamborin-dry zareo dia notanana am-ponja vonjimaika roa andro. Nivavaka tamin’i Jehovah i Vitaliy rehefa tany am-ponja. Hoy i Vitaliy: “Vao nivavaka aho dia tsy nisalasala intsony fa tonga dia tony be sady nahatsapa fiadanana anaty.”

Nafahana izy avy eo, dia tsy navela hanao dia lavitra. Notsaraina koa ny Anabavy Olga Opaleva, maman’i Vitaliy, fa tamin’ny raharaha hafa.

Be dia be ny zavatra nianaran’i Vitaliy tamin’iny nahazo azy iny. Hoy izy: “Efa fantatro taloha hoe tsy mamela antsika hizaka fitsapana mihoatra ny zakantsika i Jehovah. Fa izao aho vao tena nahatsapa an’izany teo amin’ny fiainako. Raha vao mihamafy mantsy ilay fitsapana dia mihamanakaiky antsika i Jehovah.” Hoy koa izy: “I Jehovah no Mpanefy. Ka raha avelany hisy afo hamolavola an’ahy eo amin’ny fiainako, dia midika izany hoe voafehiny tsara ilay izy. Dia raha vao mitady tsy ho zakako ilay izy, dia amin’iny aho no mitalaho amin’i Jehovah mba homeny ‘hery mihoatra noho ny an’ny olombelona.’”​—2 Korintianina 4:7.

Saro-kenatra be i Vitaliy. Efa izay mihitsy no maha izy azy, kanefa lasa sahy izy rehefa nisaintsaina ny 1 Petera 5:9. Nampahery azy koa ny rahalahy sy anabavy be dia be any Rosia, izay efa nahavita niaritra fanenjehana koa. Hoy i Vitaliy: “Na inona na inona hiafaran’izao fitsarana an’ahy izao, ka avelan’i Jehovah mitranga izany, ... dia tsy maninona, fa efa faly be aho mba afaka nitory tamin’ny manam-pahefana amin’izao andro farany izao.”

Tena mampahery antsika ny finoana sy herim-po asehon’ny mpanompon’i Jehovah, hoatran’i Vitaliy. Mbola misaotra an’i Jehovah koa isika satria omeny antsika daholo ‘ny zavatra tsara rehetra mba hanaovantsika ny sitrapony!’​—Hebreo 13:20, 21.