Hijery ny anatiny

Rahalahy Vasiliy Meleshko

17 AOGOSITRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Ny Rahalahy Vasiliy Meleshko no Vavolombelon’i Jehovah Fahefatra Notsaraina Maimaika sy Nomelohina any Krasnodar

VAOVAO FARANY | Ny Rahalahy Vasiliy Meleshko no Vavolombelon’i Jehovah Fahefatra Notsaraina Maimaika sy Nomelohina any Krasnodar

Nampakatra fitsarana fanindroany ny Rahalahy Vasiliy Meleshko, nefa nolavin’ny fitsarana ambony ambaratonga fahefatra izany tamin’ny 14 Jona 2022. Mbola migadra noho ny finoany àry i Vasiliy.

Zava-nitranga

  1. Nolavin’ny fitsaram-paritr’i Krasnodar ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Meleshko, tamin’ny 7 Oktobra 2021. Mbola mihatra aminy ilay sazy efa nomena azy.

  2. 11 Aogositra 2021

    Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Abinski, any Krasnodar, ny Rahalahy Vasiliy Meleshko rehefa avy notsaraina roa andro. Voaheloka higadra telo taona izy, ary naiditra am-ponja avy hatrany. Izy no Vavolombelon’i Jehovah fahefatra notsaraina maimaika hoatr’izany tao amin’io fitsarana io, dia avy eo tonga dia nomelohina a

  3. 10 Aogositra 2021

    Nanomboka ny fitsarana an’i Vasiliy. Rehefa nanontanian’ny mpitsara izy dia sahy nilaza hoe Vavolombelon’i Jehovah mafana fo

  4. 24 Jona 2021

    Nosokajina ho anisan’ny heloka bevava nataon’i Vasiliy ny resaka nifanaovany tamin’ny Rahalahy Aleksandr Ivshin. Nilaza ilay mpampanoa lalàna hoe niresaka foto-kevitra ara-pivavahana izy ireo, satria momba ny “fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra” ny resak’izy ireo

  5. 12 Aprily 2021

    Anisan’ny niampangana an’i Vasiliy ny hoe “nanao toriteny sy nihaino toriteny niorina tamin’ny boky ara-pivavahana”, ary “niara-nidinika boky ara-pivavahana tamin’ny olona maromaro”

  6. 7 Aprily 2021

    Nisy miaramila telo mitam-piadiana sy mpanao famotorana efatra ary polisy roa nanao savahao ny tranon’i Vasiliy sy Zoya Meleshko, tamin’ny 6:30 maraina. Nentin’izy ireo mba halaina am-bavany i Vasiliy taorian’izay. Nisy zavatra hafa nataon’ireo mpanao famotorana koa avy eo. Nalain’izy ireo sary teo anoloan’ny tranony sy teo anoloan’ny trano nanaovana fivoriana taloha i Vasiliy. Ireny sary ireny, hono, no hatao porofo hoe nanao heloka bevava izy. Tsy navela hiala ny faritra misy azy koa izy

Ilay voampanga

Marina fa “vaovao ratsy” ilay hoe tsaraina maimaika sy mbola enjehina foana ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Azontsika antoka anefa fa “matoky an’i Jehovah” i Vasiliy sy ny fianakaviany ka tsy hivadika mihitsy.​—Salamo 112:7, 8.

a Voaheloka higadra telo taona ny Rahalahy Oleg Danilov, tamin’ny 30 Martsa 2021. Voaheloka higadra fito taona sy tapany ny Rahalahy Aleksandr Ivshin, tamin’ny 10 Febroary 2021. Voaheloka higadra telo taona ny Rahalahy Aleksandr Shcherbina, tamin’ny 6 Aprily 2021.