Hijery ny anatiny

Farany ambony (ankavia miankavanana): Ny Rahalahy Vyacheslav Ivanov sy Aleksandr Kozlitin

Farany ambany (ankavia miankavanana): Ny Rahalahy Sergey Kulakov, Anabavy Tatyana Kulakova, ary Rahalahy Yevgeniy Yelin

2 NOVAMBRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Rahalahy Efatra sy Anabavy Iray no Voaheloka dia Niantehitra Tamin’i Jehovah

VAOVAO FARANY | Rahalahy Efatra sy Anabavy Iray no Voaheloka dia Niantehitra Tamin’i Jehovah

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Sakhaline, tamin’ny 11 Mey 2022, ny fangatahana nataon’ny Rahalahy Vyacheslav Ivanov, Aleksandr Kozlitin, Sergey Kulakov, sy ny Anabavy Tatyana Kulakova, ary ny Rahalahy Yevgeniy Yelin, rehefa nampakatra fitsarana izy ireo, ka mbola nomelohiny ihany izy ireo. Tsy migadra izy ireo amin’izao.

Nomelohin’ny Fitsarana any Nevelskiy, any amin’ny Faritr’i Sakhaline, ny Vyacheslav, Aleksandr, Sergey, sy ny Tatyana, ary ny Yevgeniy, tamin’ny 31 Janoary 2022. Sazy mihantona enin-taona sy tapany no nomena an’i Sergey sy Yevgeniy. I Vyacheslav sy Aleksandr ary Tatyana indray nomena sazy mihantona roa taona.

Zava-nitranga

  1. Jolay 2020

    Voafetra ny toerana azon’i Vyacheslav, Aleksandr, Sergey, ary Tatyana naleha

  2. 2 Aprily 2020

    Voafetra ny toerana azon’i Yevgeniy naleha

  3. 20 Janoary 2019

    Nanao bemidina tany amin’ny trano 11 mahery nahiahina hoe an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny polisy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), izany hoe polisy miafina any Rosia. Nahery setra be ireo polisy ireo, ary namotopototra ny ankizikely tao amin’ilay fianakaviana. Taorianan’ilay fotoana nitenenan’i Vladimir Poutine, filoham-pirenena rosianina, hoe hijery akaiky ny fampijaliana ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izany no nitranga.

Ilay voampanga

Fantatsika hoe hikarakara an’ireny rahalahy sy anabavintsika ireny foana i Jehovah, satria manao hoatran’i Isaia mpaminany ry zareo hoe: “Andriamanitra no mpamonjy ahy. Hatoky aho ka tsy hatahotra be.”​—Isaia 12:2.