Hijery ny anatiny

Rahalahy Andrey Zhukov

7 JONA 2022 | VAOVAO FARANY: 21 NOVAMBRA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: TSY AFAKA MADIODIO INDRAY | Resy Lahatra Izy hoe Tia sy Manohana Azy i Jehovah

VAOVAO FARANY: TSY AFAKA MADIODIO INDRAY | Resy Lahatra Izy hoe Tia sy Manohana Azy i Jehovah

Tamin’ny 20 Novambra 2023, dia nilaza ny fitsarana any amin’ny Faritra Mahaleo Tena any Khanty-Mansi, Yugra, fa tsy afaka madiodio indray ny Rahalahy Andrey Zhukov. Haverina hotsaraina indray àry ilay raharaha mahakasika azy.

Afaka madiodio ny Rahalahy Andrey Zhukov, araka ny didy navoakan’ny Fitsaram-paritr’i Yugorskiy, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena any Khanty-Mansi, Yugra, tamin’ny 7 Aogositra 2023. Hita hoe tsy meloka izy amin’ny zava-drehetra niampangana azy.

Zava-nitranga

  1. 17 Aogositra 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Andrey satria hoe mitarika fivoriana miafina ataon’ny fikambanana “mampidi-doza”

  2. 19 Aogositra 2020

    Trano sivy an’ny Vavolombelon’i Jehovah no nanaovana bemidina, anisan’izany ny tranon’i Andrey. Notanana am-ponja vonjimaika izy taorian’izay

  3. 20 Aogositra 2020

    Nafahana dia tsy navela hanao dia lavitra

  4. 14 Janoary 2021

    Natao ao amin’ny lisitry ny olona mampidi-doza i Andrey, dia tsy afaka mampiasa ny volany any amin’ny banky

  5. 4 Aogositra 2021

    Nisy zavatra hafa koa niampangan’ny manam-pahefana an’i Andrey, anisan’izany ny hoe “mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra, mitarika fotoam-pivavahana, ary mianatra lahatsoratra ara-pivavahana.” Nalaina am-bavany izy taorian’izay

  6. 15 Oktobra 2021

    Nolavina ny fangatahana hoe hofoanana ilay raharaham-pitsarana

  7. 29 Desambra 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

Ilay voampanga

Manampy an’i Andrey sy ny rahalahy sy anabavy rehetra enjehina i Jehovah, ary “porofo” izany hoe “tsara toetra” izy sady “mpanampy sy mpampionona” azy ireo.​—Salamo 86:17; fanamarihana ambany pejy.