2 FEBROARY 2022
ROSIA
VAOVAO FARANY | Tsy Kivy ny Rahalahy Andrey Vlasov Satria Miezaka ny ho Be Atao Foana
Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Kemerovo ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Andrey Vlasov, tamin’ny 26 Jolay 2022. Mbola migadra àry izy.
Namoaka didy momba an’i Andrey ny fitsaram-paritry ny tanànan’i Prokopievsk, tamin’ny 23 Mey 2022. Nilaza ny fitsarana fa meloka izy ary voasazy higadra fito taona. Tonga dia mihatra io saziny io.
Zava-nitranga
2 Jolay 2020
Nampangaina ho mpanao heloka bevava i Andrey. Nolazaina fa mandamina ny zavatra ataon’ny fikambanana iray mampidi-doza izy
12 Jolay 2020
Nataon’ny polisin’ny FSB savahao ny tranon’i Andrey sy ny toeram-piasany. Nalain’izy ireo ny fitaovana elektronika sy ny Baiboly. Notanana am-ponja vonjimaika izy nandritra ny fakana am-bavany an’i Nataliya, vadiny
14 Jolay 2020
Nafahana izy ary nambenana tao an-tranony
9 Jona 2021
Nanomboka ny fitsarana azy
Ilay voampanga
Tena tombontsoa ho antsika ny hoe mpiara-miasa amin’i Andrey sy ireo rahalahy sy anabavy any Rosia sy Crimée. Falifaly foana izy ireo sady tsy mivadika mihitsy.—2 Korintianina 1:24.