Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Pavel Popov

25 MEY 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY | “Tsy Misy Antony Tokony Hatahorako”

VAOVAO FARANY | “Tsy Misy Antony Tokony Hatahorako”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Metallurgichesky, any Tcheliabinsk, ny Rahalahy Pavel Popov tamin’ny 25 Mey 2022. Nahazo sazy mihantona enin-taona izy. Tsy migadra aloha izy hatreto.

Zava-nitranga

  1. 26 Martsa 2019

    Nanao bemidina sy nisava ny tranon’i Pavel ny lehilahy folo nisaron-tava. Nirongo basy sy nitondra marotoa lehibe ry zareo

  2. 22 Aprily 2021

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava

  3. 18 Mey 2021

    Niverina nisava ny tranon’i Pavel fanindroany ny manam-pahefana. Nentin-dry zareo tany mba hatao fanadihadiana ny vadin’i Pavel sy ny zanak’izy ireo vavy 13 taona

  4. 31 Aogositra 2021

    Nampidirina tao amin’ny lisitry ny olona “mpampihorohoro” sy “mampidi-doza”

  5. 29 Novambra 2021

    Nanomboka notsaraina satria hoe mpanao heloka bevava

Ilay voampanga

Matoky isika fa mbola hanohana sy hamaly soa ny mpanompony tsy mivadika foana i Jehovah, satria tsy mivadika sady tsy matahotra ry zareo rehefa ao anatin’ny fitsapana.​—2 Samoela 22:19-21.