Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Dennis Christensen, miaraka amin’ny mpiambina, ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhniy any Oriol

31 JOLAY 2019
ROSIA

VAOVAO FARANY: Tsy Mivadika Mihitsy i Dennis Christensen na dia Manefa Sazy any Am-ponja Aza

VAOVAO FARANY: Tsy Mivadika Mihitsy i Dennis Christensen na dia Manefa Sazy any Am-ponja Aza

Nalefan’ny manam-pahefana rosianina tany amin’ny Fonja No. 3 any Lgov ny Rahalahy Dennis Christensen, tamin’ny 6 Jona 2019, izany hoe tapa-bolana taorian’ny naharesy azy teny amin’ny fitsarana. Notanana am-ponja vonjimaika izy talohan’izay. Lasa lavitry ny havany sy ny namany izy satria any amin’ny 200 kilaometatra eo ho eo miala any Oriol no misy an’i Lgov.

Be dia be ny olona nanompa an’i Dennis sy niezaka nampivadika azy tamin’i Jehovah, tamin’izy vao tonga tao amin’ilay fonja. Nitoky tanteraka tamin’i Jehovah anefa i Dennis ka zakany ilay izy sady tsy natahotra izy.—1 Petera 5:10.

Any Failandy (avy eo ankavia miankavanana): Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, Irina Christensen, ary Tommi Kauko avy ao Failandy

Hatramin’ny nisamborana sy nanagadrana an’i Dennis, dia nanohana sy nikarakara an’i Irina vadiny foana ny mpiara-manompo. Afaka nampahery an’i Irina tany Failandy, ohatra, ny rahalahy sasany manana andraikitra sy ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny Jona.

Efa iray volana mahery izao i Dennis no nalefa tany am-ponja. Vao haingana i Irina no nahazo alalana hiresaka aminy an-telefaonina, indray mandeha isan’andro. Nahazo alalana hitsidika azy any am-ponja koa izy.

Mamerina mamaky ny taratasy avy any amin’i Dennis i Irina

Tsy mivadika mihitsy i Dennis sy Irina sady falifaly foana, na mafy aza ny nanjo azy mivady tato anatin’ny roa taona, hatramin’ny nisamborana sy nanagadrana an’i Dennis. Milaza i Irina fa tena mampahery azy ny taratasy voarainy isan-kerinandro avy any amin’ny vadiny. Izao, ohatra, no nosoratany tao amin’ny taratasy iray anisan’ny tena tian’i Irina: “Rehefa tsy kivy isika dia hahomby. Be dia be ny antony mahafaly antsika.” Izao no namaranany azy: “Ny manohana ny zon’i Jehovah hitondra no antony hahavelomantsika. Mbola lava ny lalana hodiavintsika. Mbola tsy nandresy aloha isika hatreto. Fa mbola handresy isika. Azoko antoka 100 isan-jato izany!”

Namaky taratasy avy any amin’i Dennis ny Rahalahy Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Danemark, tamin’ny 21 Jolay. Izao no ampahany amin’ilay izy: “Tena te hiaraka aminareo aho nefa mbola tsy afaka aloha aho izao satria mbola tsy tapitra ny fanendrena ahy. Ho afaka hiaraka aminareo ihany aho ary efa tsy andriko izany.”

Hoy i Paoly tamin’izy nogadraina tany Roma: “Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho isaky ny mahatsiaro anareo sy isaky ny mitalaho amim-pifaliana ho anareo. ... Ato am-poko ianareo, noho ianareo rehetra nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa toa ahy koa, na izao izaho mifatotra ato am-ponja izao, na tamin’izaho niaro ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny lalàna.”—Filipianina 1:3, 4, 7.