Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksey Yershov

5 NOVAMBRA 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Tsy Mora Kivy ny Rahalahy Aleksey Yershov Satria Zatra Manao Zavatra Ara-panahy

VAOVAO FARANY | Tsy Mora Kivy ny Rahalahy Aleksey Yershov Satria Zatra Manao Zavatra Ara-panahy

Novan’ny Fitsaram-paritra any Tomsk ny didim-pitsarana momba ny Rahalahy Aleksey Yershov, tamin’ny 7 Aprily 2022. Lasa sazy mihantona telo taona ilay izy. Tonga izy dia navoaka ny fonja.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Severskiy, any Tomsk, i Aleksey, tamin’ny 19 Janoary 2022. Voaheloka higadra telo taona izy, ary tonga dia mihatra ilay sazy.

Zava-nitranga

  1. 22 Jona 2021

    Nampakarina tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Severskiy, any Tomsk, ilay raharaha

  2. 30 Martsa 2021

    Video nalain’ny olona iray mody nianatra Baiboly nandritra ny herintaona mahery no porofo nentina nanamelohana azy

  3. 14 Jolay 2020

    Nanao bemidina tao an-tranon’i Aleksey ny FSB (polisy miafina rosianina) sy ny Komity Mpanao Famotorana. Nataon-dry zareo savahao nandritra ny adiny fito ny tranony. Nalain-dry zareo ny karta fakana vola, fitaovana elektronika, Baiboly, pasipaoro, ary ny fitaovana ahafahana manao Internet (routeur Wi-Fi)

Ilay voampanga

Mbola hamaky Baiboly isan’andro sy hivavaka foana ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia satria hampahery sy hampionona an-dry zareo foana izany. Manome toky antsika ny Salamo 9:9 hoe: “Ho fialofana azo antoka i Jehovah ho an’izay ampahorina, dia fialofana azo antoka amin’ny fotoan-tsarotra.”