10 MEY 2022
ROSIA
VAOVAO FARANY | Tsy Natahotahotra i Galina Abrosimova
Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Nizhny Novgorod ny fampiakarana fitsarana nataon’ny Anabavy Galina Abrosimova, tamin’ny 11 Aogositra 2022. Tsy migadra izy izao.
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Sovietskiy, any Nizhny Novgorod, i Galina tamin’ny 6 Mey 2022. Nomena sazy mihantona enin-taona izy.
Zava-nitranga
4 Jona 2019
Nampangain’ny mpanao famotorana hoe mpanao heloka bevava ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro tany amin’ny Faritr’i Nizhny Novgorod. Voampanga ry zareo satria hoe nandamina fivoriana sy nanangona fanomezana an-tsitrapo ary nitaona olona hanaraka fikambanana ara-pivavahana voarara
17 Jolay 2019
Nanao bemidina sy nisava tranona fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah 35 ny manam-pahefana. Nosamborina i Galina dia nalefa tany amin’ny toby fitanana nandritra roa andro
19 Oktobra 2021
Nanomboka notsaraina i Galina satria hoe mpanao heloka bevava
Ilay voampanga
Resy lahatra isika hoe mbola homen’i Jehovah herim-po foana ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia rehefa ‘hoentina any amin’ny governora sy ny mpanjaka, mba ho vavolombelona eo anatrehany’ ry zareo.—Marka 13:9.