Hijery ny anatiny

Ambony (ankavia miankavanana): Rahalahy Boris Burylov, Aleksandr Inozemtsev

Ambany (ankavia miankavanana): Rahalahy Viktor Kuchkov, Igor Turik, Yuriy Vaag

21 APRILY 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Tsy Natahotra Sady Mbola Falifaly ny Rahalahy Dimy Nandritra An’ilay Bemidina sy Fisamborana Nataon’ny Polisy Tany Perm, any Rosia

VAOVAO FARANY | Tsy Natahotra Sady Mbola Falifaly ny Rahalahy Dimy Nandritra An’ilay Bemidina sy Fisamborana Nataon’ny Polisy Tany Perm, any Rosia

Nolavin’ny fitsarana ambony ambaratonga fahafito, tamin’ny 12 Mey 2022, ny fampakarana fitsarana fanindroany nataon’ny Rahalahy Boris Burylov, Aleksandr Inozemtsev, Viktor Kuchkov, Igor Turik, ary Yuriy Vaag. Tsy migadra izy ireo amin’izao.

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Perm, tamin’ny 23 Aogositra 2021, ny fampakarana fitsarana nataon’i Boris, Aleksandr, Viktor, Igor, ary Yuriy. Mbola manan-kery ny sazy nomena azy ireo tamin’ny voalohany.

Namoaka didim-pitsarana momba an’i Boris, Aleksandr, Viktor, Igor, ary Yuriy ny Fitsaram-paritr’i Perm, tamin’ny 12 Mey 2021. Nomena sazy mihantona fito taona i Igor. Nomena sazy mihantona roa taona sy tapany kosa ireo rahalahy efatra ambiny.

Ireo voampanga

Boris Burylov

  • Teraka: 1941 (tany Sébastopol)

  • Mombamomba azy: Lehibe tany amin’ny Faritanin’i Perm. Nahazo diplaoma tamin’ny resaka fambolena. Namakian’ny mamany Baiboly foana izy, tamin’ny mbola kely. Nahazo Baiboly manontolo izy taorianan’ny 1990. Natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1996

Aleksandr Inozemtsev

  • Teraka: 1972 (tany Kostanay)

  • Mombamomba azy: Niasa tao amin’ny tafika. Efa elektrisianina sy mpanamboatra aotomobilina izy, fa amin’izao indray mpikojakoja sy mpanavao trano. Namaky Baiboly sy nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy dia lasa fantany hoe maninona no misy ny tsy rariny sy ny fahafatesana. Natao batisa tamin’ny 1996. Nanambady an’i Olesya tamin’ny 2017. Miara-mitaiza ny zanany vavikely izao ry zareo. Tia manao sary sy manao hockey ary manjono izy

Viktor Kuchkov

  • Teraka: 1967 (tany Svetlitsa)

  • Mombamomba azy: Tia manao sary sokitra vita amin’ny hazo, hatramin’ny mbola kely. Nampiofanina ho lasa injeniera mpanao metaly, dia efa injeniera mpanao sary koa. Tia manjono sy manao voley. Nanambady an’i Tanya tamin’ny 1988. Manan-janaka vavitokana ry zareo. Tena tia mianatra Baiboly sy mianatra momba an’Andriamanitra izy. Natao batisa sy lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, tamin’ny 1993

Igor Turik

  • Teraka: 1968 (tany Nelidovo)

  • Mombamomba azy: Sady mpaka sary izy no mpanao mari-trano. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, tamin’ny 1990 tany ho any. Tena nahavariana azy ilay hoe mirindra daholo ny zavatra resahin’ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 1998. Nanambady tamin’ny 2002, dia manan-janaka lahitokana sy vavitokana. Tena tia maka sary sy maka video, ary manamboatra radio

Yuriy Vaag

  • Teraka: 1975 (tany Lesosibirsk)

  • Mombamomba azy: Niofana ho lasa mpamily grue. Elektrisianina izy izao sady mpikojakoja trano. Tamin’izy niasa tany amin’ny tafika no nahafantatra voalohany an’izay lazain’ny Baiboly, tamin’ny alalan’ny anabaviny. Hitany hoe lasa tsara toetra be ny anabaviny rehefa nampihatra an’izay ampianarin’ny Baiboly, dia izay no nahatonga azy te hianatra Baiboly koa. Natao batisa tamin’ny 1996. Nanambady an’i Svetlana tamin’ny 1996. Manan-janaka lahitokana sy vavitokana ry zareo

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tany amin’ny Faritanin’i Perm ny polisy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) sy tafika hafa, tamin’ny 17 Septambra 2018. Tranon’ny rahalahintsika folo fara fahakeliny no nosavan-dry zareo. Nalain’ireo manam-pahefana ireo tamin’izay ny vola sy ny telefaonina, ary fitaovana elektronika hafa. Nogadrain-dry zareo andro maromaro i Viktor sy Igor, dia avy eo nambenana tao an-trano efa ho efa-bolana. Noferana koa ny fahafahan-dry zareo amin’izao. Nampidirina tao anatin’ny lisitry ny olona “mahery fihetsika” ny anaran-dry zareo.

Tsy mba natahotra sady falifaly foana anefa izy dimy lahy na dia niatrika an’ireo olana ireo aza.

Nilaza i Yuriy fa mivavaka amin’i Jehovah matetika kokoa, hono, izy izao. Saintsaininy foana koa izay nataon’i Jehovah mba hanampiana azy sy hampaherezana azy. Hoy izy: “Ilay voalazan’ny Josoa 1:7 no tena nanampy an’ahy ho tony. Hitako ao amin’io andininy io koa ny zavatra mila ataoko. Tena tsapako hoe manampy sy miahy an’ahy i Jehovah.”

I Viktor indray nilaza hoe ny misaintsaina momba ny fandaminan’i Jehovah no tena nanampy azy ho tony, nandritra an’ilay fitsarana azy. Hoy izy: “Nalaiko sary an-tsaina ny halehiben’i Jehovah, sy ilay tapany hita maso sy tsy hita maso amin’ny fandaminany. Nataoko tao an-tsaina koa hoe manana rahalahy sy anabavy be dia be aho eran-tany. Nosaintsainiko hoe eran’izao tontolo izao mihitsy no anaovana ny asa fitoriana, ary tena tsara be sy mitombina ny fahamarinana. Izany rehetra izany no nanampy ahy tsy hifantoka tamin’ny tenako. Tonga aho dia tony.”

Mbola nahita zavatra nampihomehy tamin’ilay zavatra nahazo azy ihany i Igor, rehefa tonga tany an-trano izy. Hoy izy: “Nanaovan’ny zanako vavy sarina tontolo vaovao aho mba hampaherezana an’ahy, tamin’izao tany am-pigadrana. Tsy navelan’ny mpiambina nomena an’ahy anefa ilay izy. Hozy ny vadiko hoe nojeren’ilay mpiambina ela be, hono, ilay sary dia avy eo naveriny tamin’ilay vadiko, sady hozy hoe: ‘Tsy azonay omena an’azy ity sary ity. Hoatran’ny planina natao handosirana izy izany.’” Hoy i Igor: “Planina handosiranay an’ity tontolo ratsy ity mihitsy aloha ny tontolo vaovao e!”

Matoky isika hoe mbola hampiasa ny fanahiny masina hanampiana an’ireo rahalahintsika ireo sy ny fianakaviany i Jehovah. Fantatsika fa mbola hanome hery ilain-dry zareo foana i Jehovah.​—Efesianina 3:20.